• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Fahasalamana
Image
Vaovao

Ady amin'ny valanaretina : Mpiofana 29 nahazo mari-pankasitrahana

28/01/2023 17:13 © Moov.Mg

FAMPIOFANANA FETP - Frontline One Health: Nivoaka tamin'ny fomba ofisialy ireo mpiofana avy amin’ny andiany faharoa « MAMAFISOA »

Mpiofana miisa 29 mianadahy avy amin'ny faritra maro eto amintsika no nahatanteraka ny fiofanana ary notolorana mari-pankatoavana maneho izany.

Naharitra 3 volana ny fiofanana ary niompana tamin’ny fiatrehana ny « urgence de santé publique ». Avolenta, matihanina ary mamaly ny filan'i Madagasikara ny fampiofanana misy eo anivon’ny INSPC.
Ankehitriny ireo tanora vao nahavita fiofanana ireo dia efa mampihatra sahady ny fahalalana norantoviny mba hanasoavana ny Malagasy.

Ny FETP-Frontline One Health moa dia fiofanana vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka , ny Ministeran’ny fambolena sy fiompiana ary ny Commission de l’Océan Indien (COI).

Nisolotena an'Andriamatoa Minisitra, nanome voninahitra izao fotoan-dehibe izao ny Delegasiona avy amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka izay notarihan' ny Dr YASMINE Lethicia Lydia, Sekretera Jeneraly.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo