• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Madagasikara Maitso : Nosokafana anio ny taom-pambolen-kazo 2023

28/01/2023 17:05 © Moov.Mg

Velaran-tany mirefy 100Ha no nanombohana amin'ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo tao Tanambao sy Seranandavitra, kaominina ambanivohitr’Ilaka Est, distrikan'i Vatomandry.

Ny 75Ha izay nambolena zanak'hazo miisa 120.000 dia nifarimbonan'ireo solontenan’ny andrimpanjakana, ireo ministera isan-tokony, ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, ireo fikambanana tsy miankina sy ny fokonolona. Ny 25Ha kosa dia nampiasana ny "drone" nandatsaka ireo voa hazo zanatany milanja 280kg.

Tonga nitarika izany hetsika fambolen-kazo ary nanokatra amin'ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2023 ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina androany 28 janoary 2023. "Izay mamboly hazo mamelona aina. Izayh mamboly hazo mamelona an'i Madagasikara" io no lohahevitra amin'ity taom-pambolen-kazo 2023 ity. Adidy ny mamboly hazo hoy ny Filoha Andry Rajoelina ary velirano no natao ny hoe Madagasikara tsy maintsy rakotr'ala indray. Anisan'ireo zanak'hazo novolena androany ny hintsina, mandrorofo, kinina oliva, kinina mena, bonara, litchis, voasary, akasia, kininina malama hoditra.

Tsy adinon'ny Filoham-pirenena ihany koa ireo izay niharam-boina nandritra ny fandalovan'iny rivodoza Cheneso. Nitondra ny teny fankaherezana azy ireo ny tenany ary nanambara fa hanamafy ny fanampiana efa nataon'ny Governemanta sy ny BNGRC teny an-kianja. Notsipihany manokana ihany koa fa hitodika bebe kokoa amin'ny sosialimbahoaka ny hetsiky ny Fitondram-panjakana ary hisy ny drafitra sosialy hapetraka entina hanatanterahana izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo