• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

Etamazaoron'ny Tafika : Fitokanana ny CENTRE DES OPERATIONS INTERARMÉES

27/01/2023 23:40 © Moov.Mg

Notokanan'Andriamatoa Praiminisitra Lehiben'ny governemanta NTSAY Christian sy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena,ny jeneraly RAKOTONIRINA Richard, ny 27 janoary 2023 ny Ivon-toerana fandrindrana ny hetsik'ireo tafika (COIA) eto amin'ny Etamazaron'ireo Tafika Andohalo.

Nanotrona izany ny Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Délphin niaraka tamin’ireo Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika an-Tanety, ny Tafika Andranomasina ary ny Tafika Anabakabaka.

Dingana lehibe amin’ny fitandroana ny fandriam-pahalemana ny fahavitan’ity ivo-toerana ity satria Dia natao andrindra ireo hetsika ataon’ny Tafika eny an-kianja mivantana (en temps réel) ary miantoka ny fizotr’izany an-tsakany sy an-davany no andraikitr’ity ivon-toerana ity.

Ankoatra ny fandrindra ny asa fampandriana fahalemana dia mandrindra ireo hetsika fiatrehana ny loza voajanahary sy ireo ambana maro samy hafa ary miara-miasa akaiky amin’ny BNGRC sy ny sampandraharah-panjakana hafa ny Centre des Opérations Interarmées.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo