• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Vaovao

Andro ratsy : Miato ny fampianarana ho an’ny CISCO Antananarivo Renivohitra

23/01/2023 14:51 © Moov.Mg

Mitsahatra ny fampianarana ho an'ny fari-piadidim-pampianarana Antananarivo Renivohitra

Miato manomboka rahampitso ny fampianarana eny anivon’ny CISCO Antananarivo Renivohitra araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny komity ifotony eto Antananarivo renivohitra. Voakisik’izany fampiatoana izany avokoa na ny sekoly miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana.

Fitsaharana ho an’ny ambaratonga fototra

Nohon’ny fitohizan’ny andro ratsy vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza CHENESO ny herin’andro lasa teo dia noraisina ny fanapahan-kevitra fampiatoana ny fampianarana ho an’ireo kilasy ambaratonga fototra. Manankery manomboka rahampitso talata 24 janoary ka hitohy hatramin’ny alarobia 25 janoary izany fiatoana izany. Marihina fa ny kilasy « préscolaire » hatramin’ny T5 no voakasik’izany fampiatoana izany.
Mitohy kosa ny fampianarana ho an’ny ambaratonga faha roa na ny kolejy sy faha telo na ny Lisea. Etsy andaniny dia manentana ny eny anivon’ny sekoly ny komity hampilaza raha sendra misy tranga miseho tampoka tsy voalaza tao anatin’izany fitananan-tsoratra izany.
Noraisina ary izany fanapahan-kevitra rehetra izany mba hiarovana ny zaza amin’ny loza mety hitranga mandritra izao andro ratsy izao. Mety hiova manaraka ny toetr’andro kosa izao fanapahan-kevitra izao, araky ny voalaza ao anaty ny fitananan-tsoratra ihany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo