Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 4 hatramin'ny 10 aogositra 2025
Atolotra anao ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 4 hatramin'ny alahady 10 aogositra 2025.
CJSOI 2025 # Mamiratra i Madagasikara
Namiratra ireo atleta malagasy nandritra ny andiany faha-13 ny lalaon'ny tanora aty amin'ny Ranomasimbe Indianina na CJSOI, notanterahina tany Seychelles.
Medaly miisa 49 be izao no norombahan'ireo tanora malagasy teo amin'ny taranja fibatana fonjamby, lomano, athlétisme, basketball, volley-ball, football. Nanao ny ainy tsy ho zavatra avokoa ireo mpifaninana nisolo tena ny Nosy.
Nampiavaka ny fifaninana tamin'ity taona ity ny E-sport izay nahazoan'i Madagasikara medaly telo : volamena ho an'ny isan-tarika, volafotsy ho an'ny sokajy zazalahy, varahina ho an'ny vehivavy.
Fihaonana an-tampony faha 45 SADC # Mizotra am-pilaminana ireo hetsika samihafa
Amin'ny tapak'ity volana aogositra ity vao hihaona ireo filoham-panjakana SADC,ka amin'izany indrindra no handray fitantanana i Madagasikara.
Nanomboka ny 3 aogositra lasa teo, olo-manan-kaja maro no efa tonga eto an-toerana, mandray anjara amina fivoriana sy dinika samihafa.Tontosa ny 6 aogositra moa ny fifamindram-pitantanana teo amin'ny M. Albert Ranganai Chimbindi, Secrétaire permanent ao amin'ny Ministère des Affaires étrangères et du Commerce international an'i Zimbabwe sy M. Eric RATSIMBAZAFY, SG ao amin'ny Ministère des Affaires étrangères an'i Madagasikara. Haharitra herintaona ny fitantanana amin'ny maha-mpitarika ny "Comité des hauts fonctionnaires de la SADC" ny solontena Malagasy.
Festival Somaroho # Vory lanona tao Nosy-Be ny mpiala sasatra sy mpizahatany marobe
Tontosa soa aman-tsara ny 6 ka hatramin'ny 10 aogositra lasa teo ny Festival Somaroho andiany faha-12. Fahombiazana ny hetsika satria marobe ireo nanotrona ny fampisehoana nifandrimbonan'ny mpanakanto maro, ka anisan'izany i Wawa, Arnaah, Anatal sy Maman'i Tsololo. Koa satria mifanojo amin'ny fialantsasatra lehibe ny fotoana nanatanterahana ny lanonana, tsy voaisa ireo mpizahatany sy mpialasasatra, na teratany Malagasy na vahiny. Saika feno hipoka avokoa moa ireo trano fandraisam-bahiny tao Nosy-Be. Niakatra ihany koa ny isan'ireo mpitsidika ireo nosikely mampiavaka an'i Nosy-Be, indrindra ny Nosy Iranja sy Nosy Komba.
Oniversiten'Antananarivo # Salon de la Recherche au service de l’Économie et de l’Emploi
Tontosa ny 7 sy 8 aogositra lasa teo ny "Salon de la Recherche au service de l’Économie et de l’Emploi" andiany faha-7. Teny amin'ny Esplanade Analakely no nanatanterahana izany. Fotoana nanehoan'ireo mpianatra ny voka-pikarohany sy nitadiavany mpiara-miombon’antoka amin’ny fanitarana ny tetikasany ilay hetsika, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra teo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo.
Anisan'ny nasongadin'ireo mpianatra sy mpikaroka ny mikasika ny fananan-tany, ny fitantanana sy fiarovana ny ala, ary ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Teo ho eo amin'ny 50 moa no isan'ireo tranoeva azo notsidihan'ny rehetra.
Vary safiotra – Fanehoana voka-pikarohana ho an’ny tantsaha
Nandray anjara amin’ny hetsika fampirantiana “Salon de la Recherche au service de l'économie et de l'emploiSREE" andiany fahafito ny Sekretariam-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo.
Nasongadina ny voly vary safiotra, vokatra nateraky ny fikarohana siantifika ary afaka mamokatra hatramin’ny 12 taonina isaky ny hektara, no ampahafantarin’ny SESA mandritra ity hetsika ity. Teknolojia manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra, manatsara ny fidiram-bolan’ny tantsaha, ary anisan’ny fototra iorenan’ny fampivoarana ny rafi-pamokarana sy ny fanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo moa ny voly vary safiotra.
Raharaha Ambohimalaza # Tafakatra 33 ny isan'ireo namoy ny ainy
I Jessica, tovovavy 17 taona, no mpamonjy anniversaire faha-33 nodimandry, noho ny fanapoizinana ara-tsakafo. Efa anisan'ireo sitrana sy nalefa nody ny tenany, saingy tsy maintsy naverina niditra hopitaly tao amin'ny HJRA indray. Nambaran-drainy fa nalefa tany amin'ny fitsaboana aretin-tratra i Jessica, ka tsy nisy nikarakara firy tany. Efa "tara loatra" vao nasiana fitaovana nanampy azy hiaina, ka izao niafara tamin'ny fahafatesany izao.
Somary nangingina ny tohin'ny raharaham-pitsarana satria mbola tsy misy fanambarana na ny tohin'ny fanadihadihana na ny fitsarana ireo olona voarohirohy efa tazomina am-ponja vonjimaika.
Fulbright Program # Tovovavy malagasy iray hianatra any Etazonia 2 taona
Ny Fulbright Program dia fandaharanasa tohanan’ny governemanta amerikana mba hanome fahafahana an’ireo mpianatra voafantina hanao asa fikarohana sy hanohy ny fianarany any Etazonia.
I Soatoavina Hasinkarena no hihazo an'i Etazonia, hanohy ny fianarany hahazoana mari-pahaizana Master momba ny “Chemical and Petroleum Engineering” mandritra ny roa taona ao amin’ny The University of Kansas i Soatoavina. Izany dia hanampy azy hanovo fahalalana ilaina rehetra hanamafisana ny fahaiza-manaony sy hifandraisany amin’ireo manam-pahaizana manerana izao tontolo izao sady hanomanany hoavy mamiratra.
Famatsian-drano # Nampiana ny isan'ireo Camions citernes mpitatitra rano
Fiarabe vaovao miisa 18 no natolotry ny tetikasa PAAEP, vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena, ho an’ny fitondram-panjakana malagasy izay natao hanamafisana ny famatsian-drano eto Antananarivo. Izany dia ho fanomanana sahady ny fiatrehana ny maintany, izay fotoana mampihena ny tahirin-drano. Mahazaka rano hatrany amin’ny 10 000 litatra ny fiarabe iray, ary afaka mizara rano mivantana avy hatrany ankoatra ny famenoana siniben-drano izy ireo.
Eo ho eo amin’ny 300 000 m³ ny filàna rano eto Antananarivo. Efa nosoloina manontolo ny toby Mandroseza I, tamin'ny taona 2022 napetraka ny Mandroseza II izay efa mamokatra 40.000 m³, ary vao tsy ela dia napetraka ihany koa ny Mandroseza III, izay afaka mamokatra 40.000 m³ ihany koa. Ny tena goavana dia ny fametrahana ny tobim-pamokarana rano lehibe eny Amoronakona izay hamokatra hatrany amin’ny 50.000 m³.
Fanamboaran-dalana # Lalana maro no voakoja eto Antananarivo Renivohitra
Anisan'ireo fanambin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Ministeran'ny Asa Vaventy ny fikojakojana ny Lalana, mba tsy ho sakana ho an'ny fivezivezen'ny rehetra.
Maromaro ireo "axes" voakasiky ny asa, ka anisan'izany ny lalana Ankadindratombo# Ambohimiandra# Ambanidia sy ny Croisement Ambohimanambola Pont Mandroseza. Nasiam-panavaozana ihany koa ny eny Andrahavoangy Ambony, Antanimena, Ankorondrano Route des Hydrocarbures, Lalambe Andavamamba mankany Ampasika, Ambatobe, Analamahitsy, sns. Ho fitsinjovana manokana ireo Marary sy mpikarakara, namboarina ny Fidirana ny hopitaly HJRA sy HJRB Befelatanana.
Tanjona ny hanatsarana ny fifamoivoizana, ary indrindra hanome endrika madio sy maoderina ho an’ny Renivohitr'i Madagasikara.
Kolontsaina Sakalava & Antanosy # Festival Sobahya ao Mahajanga
Nanomboka ny sabotsy 9 aogositra lasa teo ny Festival Sobahya andiany faha-19. Hetsika ara-kolontsaina fanandratana ny kolontsain'ireo foko Sakalava sy Antanosy izany, ka ny lohahevitra dia "kolontsaina voajary, tontolo iainana maeva". Tamin'ny andro fanokafana fotsiny, maherin'ny 5000 ireo vahiny nanotrona, na Malagasy na Mpizahatany avy any ivelany.
Maro ireo fanentanana tontosaina ao Katsepy, ka anisan'izany ny fampirantiana asa tanana sy sakafo mampiavaka ny faritra, ny fampisehoana dihy nentim-paharazana ary ny fifaninanana ara-panatanjahantena. Mitombo laza ny hetsika, hita taratra amin'ny habetsak'ireo mpitsidika tsy mitsaha-mitombo izany, araka ny fanehoan-kevitr'ireo mpikarakara. Maresaka rahateo ao Mahajanga amin'izao fialantsasatra lehibe izao.
Trafikana zava-mahadomelina # Citerne mpitatitra solika nahatratrarana rongony
Miova paik'ady hatrany ireo mpisehatra amin'ny famarotana zava-mahadomelina. Camion citerne iray no nahatratraran'ny mpitandro filaminana rongony eo ho eo amin'ny 50 kilao tamin'iny lalam-pirenena faha-fito iny (RN7). Tamin'ny fanadihadihana no nahalalana fa avy any Ihosy ny entana ary nokasaina nampakarina eto Antananarivo. Avy nanatitra solika tany Toliara ilay kamiao ary niverina ho eto an-drenivohitra izy no izao tratra nitondra rongony izao, rehefa nosavaina.
Voasakan’ny zandary teo Iaritsena Distrikan’ Ambalavao omaly tolakandro moa ilay fiarabe.
Bazar de la SADC # Fampirantiana asa tanana sy kolontsaina afrikana
Tsy fivoriana sy fifanakalozan-kevitra ihany no votoanton'ny Fihaonana an-tampon'ny SADC. Omen-danja manokana mantsy ny ekonomian'ireo firenena mpikambana.
Noho izany indrindra, hisy ny tsenabe fampirantiana miavaka, dia ny "Bazar de la SADC". Eny amin'ny Centre d'Exposition Internationale Enara, Lac Iarivo Ivato, no hanatanterahana izany, ny 14 hatramin'ny 18 aogositra ho avy izao. Ny asa tanana sy ny kolontsaina isak'ireo firenena mpikamban'ny SADC moa no ampirantiana amin'izany.