Teleferika : Hisokatra amin’ny ampahany manomboka amin’ny fihaonana an-tampon'ny SADC
Hisokatra amin’ny ampahany fotsiny ihany aloha ny fitaterana mikorisa an-tariby, mandritra ny fihaonana an-tampon’ny SADC ny 17 sy 18 aogositra izao, raha ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra, omaly. Mbola miandry fotoana indray araka izany, ny fisokafany ho an’ny daholobe.
Andrana teknika
Ao anatin’ny famaranana ny andrana teknika tanteraka amin’izao ny fitaterana mikorisa an-tariby, mampitohy Anosy, Ambatobe. Vina ny hampandehanana azy ho azon’ny rehetra ampiasaina. Hatreto dia ny fihaonamben’ny SADC aloha no tanjona voalohany, raha ny fanazavana avy amin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna Vaovao sy ny Toeram-ponenana. Etsy ankilany, raha ny fanazavana dia mbola ho toy izay ihany koa, roa hatramin’ny efa-bolana aorian’ny SADC. Noho izany dia eo anelanelan’ny volana oktobra hatramin’ny desambra 2025 no azo vinavinaina hitondra olona, ity fomba fitaterana vaovao ity.
Fankatoavana ara-teknika
Isan’ny antony mbola tsy hahafahana mampiditra olona amin’io fitaterana io aloha hatreto dia ny mbola tsy fahazoany fanakatoavana ara-teknika, raha ny fanazavana. Araka izany, andrasana ihany koa ny fahazoana izay mba hampiasana azy, hampihenana ny fitohanana. Raha tsiahivina dia 3 000ar hatramin’ny 5 000ar ny saram-pitaterana amin’ity mikorisa an-tariby ity. Hahazo fihenam-bidy kosa ireo mpianatra sy ireo olona mikarakara marary.
Ity fitaterana iray ity moa dia mandrakotra toerana maro, ho an’ny ampovoan’Antananarivo ary mirefy maherin’ny 8Km. Eo ho eo amin’ny 30 mn fotsiny dia tokony vita io lalana io. Azo lazaina ho vahaolana amin’ny fitohanana lavareny, ka maherin’ny ora 1 sy sasany no hanaovan’ny fiara azy. Vinavinaina hitatitra olona hatramin’ny 40 000, isan’andro.