• Cours de change
  • 5143.69 AR
  • |
  • $4448.56 AR
Copyright Image : © Min-Foloalindahy
Image
Vaovao

Operation Smile : Mandray ny hetsika fandidiana ny sima na vaky lanilany fanindroany ny CENHOSOA

07/08/2025 14:16 © Moov

Mitohy ny hetsika ara-pahasalamana tanterahin’ny Operation Smile Madagasikara. Manatanteraka fandidiana maimaimpoana ireo ankizy sima na vaky lanilany, ao amin’ny Hopitaly miaramila ao Soavinandriana (CENHOSOA), izy ireo, nanomboka ny 4 aogositra teo, hatramin’ny 9 aogositra. Fanindroany izao ity toerana ity no nandray ny hetsika.

Manavotra aina

Fanambin’ny Operation Smile ny hampisitraka fandraisana an-tanana ara-pahasalamana maimaimpoana, ny olona maro manerana ny Nosy. Tamin’ity indray mitoraka ity dia ireo ankizy kely indray no nahazo tombony. Raha ny fanazavana ao amin’ny pejy ofisialin’ny Operation Smile dia avo hatramin’ny 9 heny kokoa no mety hahafaty ny zaza teraka miaraka sima na vaky lanilany, amin'ny taona voalohany amin'ny fiainany noho ny zaza hafa. Ny fahsarotan’ny fanomezana sakafo no tena isan’ny mahatonga izany. Izany indrindra ihany koa no isan’ny anton’ny hetsika toy izao.
Amin’ity andiany faharoa handraisan’ny CENHOSOA ny asa fandidiana ity dia vinavinain’izy ireo ho zaza maherin'ny 10 any ho any no ho raisina an-tanana, mandritra ny 6 andro.

Fandraisana an-tanana sy fanaraha-maso

Toy ny efa fanaon’ny Operation Smile, tamin’ireo hetsika tamin’ny hopitaly samihafa dia tsy maintsy misy ny fanaraha-maso sy fandraisana an-tanana, hataon’izy ireo. Misy hatrany izany mialoha, manditra ary aorian'ny fandidina ireo ankizy.
Marihina fa mpitsabo miaramila maro no mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny ity fikambanana ity izay manome ny fahaiza-manaony entina hanasoavana ireo mpiray tanindrazana mila izany fandidiana izany, hoy ny pejin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy. Tamin’ity indray mitoraka ity dia nifanome tanana manatanteraka ny fandidiana ny Mpitsabo Kolonely Razafimamonjy Norbert, ny Mpitsabo Kolonely Horace Haingonirina Joelle, ny Kolonely Mpitsabo Ramangason Jacques Adrien, ny Mpitsabo Kolonely Tsifiregna Rosa Lalao ary ireo mpiara miasa amin'izy ireo eo anivon'ny Hopitaly.

Lire la suite

Articles Similaires