Nosy Be : Fety tsy an-kiato mandritra ny 5 andro ao anatin’ny Sômaroho
Natomboka androany, niaraka tamin’ny « carnaval » lehibe namakivaky ny tanàna ity fotoana efa nandrasan’ny rehetra ao Nosy Be ity, dia ny Sômaroho izany. Tsy hiato ny lanonana ao anatin’ny 5 andro ; na amin’ny atoandro na amin’ny alina.
« Carnaval »
Saika efa mahazatra ny mpamonjy « Festival Sômaroho » ny « Carnaval » lehibe izay entina hanombohana ny hetsika. Namakivaky ny tanàna ny loko marevaka sy ny hira mampihetsiketsika, nanomboka tao Hell-Ville hatreny Ambodivoanio. Samy nanao izay nampiavaka azy avokoa ireo fikambanana sy orinasa sy solontena nandray anjara tamin’izany. Hita taratra avokoa izany na teo amin’ny fitafy na teo amin’ny taovolo sy ny fandokoana ny tarehy. Nanao izay fara heriny izy ireo nanehoana ny kolontsaina sy ny zava-misy ao Nosy Be.
Mifanaraka hatrany amin’izany fampisehoana samihafa izany dia tsy nijanona ny hira fa nandihy sy nikorana avokoa ; na ireo mpandray anjara tamin’ny « carnaval » na ireo mpijery. Raha tsiahivina dia isan’ny hankafizin’ny olona any an-toerana hatrany, ary andrasana fatratra ny fandalovan’izy ireo. Fahafinaretan’ny maso rahateo.
Fampisehoana samihafa
Aorian’ity « carnaval » lehibe ity dia andrasan’ny maro ihany koa ireo fampisehoana samihafa mandritra ireo 4 andro manaraka. Androany hariva fotsiny dia efa hisy ny « bal d’ouverture » na ny fety fanombohana ny hetsika rehetra, ao amin’ny Villa Somaroho. Hisy mpanakanto avy any ivelany.
Raha tsiahivina dia miisa hatramin’ny 30 ireo mpanakanto Malagasy, hanafana ny sehatra. Ohatra amin’izany Les Robert, Anatal, Ngiah Tax, Mama Red, Maman’i Tsololo, Fandrama, Tence Mena ; Mopcaan, indrindra i Wawa sy ireo hafa. Tsy ambakan’izany ihany koa ireo mpanakanto vahiny, toa an’i Ruger, Says’z, Lucky Dube Band sy ny hafa. Hifandimby hiaka-tsehatra, izy ireo mandritra ireo 4 andro rehetra. Hifanindra-dalana amin’izany ireo lalao ara-panatanjahantena, samihafa.
Etsy ankilany moa ity Festival Somaroho ity dia tsy vitan’ny fety fotsiny fa hetsika natao hisintomana mpizahatany ihany koa. Andiany faha-12 ny amin’ity taona 2025 ity ary mbola mahasarika olona hatrany, na Malagasy na vahiny.