• Cours de change
  • 5142.8 AR
  • |
  • $4453.4 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fitaterana maoderina : Ho tonga ny herinandro izao ireo bus miisa 100 vaovao, hoy ny Minisitra

07/07/2025 11:11 © Moov

Taorian’ireo fiara elektrika miisa 12 sy fiara mandeha amin’ny solika miisa 30 nampiasaina tamin’ny 25 jona, dia ho avy tsy ho ela ireo hanampy ireo fitaovam-pitaterana ireo. Ny herinandro ho avy izao no heverina ho tonga ireo 100 vaovao ireo, hoy ny Minisitry ny fitaterana, Ramonjavelo Valery, nandritra ny fivahinianany tao amin’ny fahitalavi-pirenena, omaly.

Zotra fitaratra

Efa nanomboka tamin’ny taona 2022 no efa nandinihana sy niheverana ny endriky ny fitaterana maoderina eto Madagasikara. Isan’ny hanatanterahana izay tanjona izay indrindra no nampidirana ireto fiara vaovao ireto. Ho ampiasaina amin’ireo zotra Fitaratra, ao anatin’ity tetikasa fitaterana nohavaozina ity ireo fiara. Ireo 12 efa eto dia hampitohy an’i Tsarasaotra amin’i Ivato. Tsara marihina fa hahazaka olona hatramin’ny 75 io fiara io, izay mirefy 12 metatra. Ireo fiara “diesel” izay miisa 30 kosa dia mahazaka olona 45, mirefy 7.5metatra. Hampitohy an’Ankorondrano amin’i Amoron’Ankona, kosa ity farany ity. Hanampy ireo efa ampiasaina ireo ny fiara miisa 100 izay andrasana ny herinandro izao. « Efa niala tany Chine ny 16 jona ireo 100 ary tokony tonga ao Toamasina ny 12 jolay izao », hoy hatrany ny Minisitra.
Ny zotra fitaratra moa dia natao hanavaozana ny fitaterana eto Madagasikara. Amin’ny alalan’ireto fiara ireto dia tsy hisy intsony ny fandoavana saran-dalana hataon’ireo mpandeha satria hampiasaina ny « billetterie électrique ». Hiena ihany koa ny tabataba ao anatin’ny fiara fitateram-bahoaka raha teboka fotsiny no tsindriana isaky ny toeram-pialana ka mijanona avy hatrany ny mpamily.

Haparitaka manerana ny Nosy

Andrana sy andiany voalohany ihany ireto ho ampiasaina eto Antananarivo ireto. Raha ny vinavina, hoy hatrany ny Minisitra, Ramonjavelo Valery dia fiara miisa hatramin’ny 300 no andrasana. Mandeha tsikelikely kosa ny fahatongavany. Ho ampiasaina amin’ireo renivohi-paritany rehetra ihany koa ireto karazam-pitaterana maoderina ireto.
Amin’izao fotoana izao dia efa mandeha ny antso ho an’ireo orinasa na olona te hampiasa ireo fiara. Marihina mantsy fa ny Fanjakana no manafatra ary azon’ireo mpisehatra atao ny mividy azy ireny, izay afaka halohany tsikelikely. Etsy ankilany dia tsy maintsy misy ihany koa ny fampiofanana ireo mpamily sy ireo hisehatra amin’ny fampiasana ireo fiara. Ao anatin’izany ireo teknisianina sy ireo injeniera. Hatreto dia mbola tsy fantatra ny mety ho saran-dalana amin’ireo zotra.

Lire la suite

Articles Similaires