• Cours de change
  • 5159.2 AR
  • |
  • $4417.58 AR
Copyright Image : © Chu Jra
Image
Vaovao

Fanapozinana teny Ambohimalaza : Tafakatra 25 ireo maty

24/06/2025 15:14 © Moov

Androany talata 24 jona 2025, tamin'ny 12 ora sy sasany atoandro, 22 no isan'ireo maty teny anivon'ny HJRA. Olona 3 hafa no namoy ny ainy tamina toeram-pitsaboana hafa. 25 izany no maty hatreto.

Miakatra hatrany ny isan'ireo namoy ny ainy, na dia efa misy "fanafany" na "antidote" aza ny poizina natao tamin'ny Donut. Maherin'ny 50 ireo olona efa nandalo fitsaboana, ka ny atsasany izany dia namoy ny ainy avokoa. Saika efa voalevina avokoa ireo namoy ny ainy tamin'iny herinandro lasa iny.

Fandraisana an-tanana

Ho an'ny HJRA manokana, miisa 22 ireo marary mbola tsaboina. Samy niharan'ilay fanapoizinana teny Ambohimalaza Imerinkasinina, nandritra ilay fankalazana Tsingerintaona nahaterahana izy ireo. Androany 24 jona, nisy ny fampaherezana manokana ireo mbola manaraka fitsaboana, izay notanterahin'ny avy ao amin'ny Aumônerie Catholique.

Fanadihadihana

Mitohy hatrany ny fanadihadihana ny amin'izao raharaha fanapoizinana ara-tsakafo niniana natao izao. Hatreto, miisa 3 ireo tazomina am-ponja vonjimaika, rehefa nandalo teo anatrehan'ny Mpitsara mpanao famotorana. Mbola tsy aharenesam-baovao moa na ny tohin'ny fanadihadihana na ny fotoam-pitsarana ireo efa notazomina am-ponja ireo. Marihana fa olona akaiky ilay tompom-pety ny 2 tamin'ireo 3 eny am-ponja.
Mikasika ilay tompom-panasana moa, voalaza fa mbola tsy mahatsiaro tena ny tenany hatramin'izao.

Lire la suite

Articles Similaires