Foara ErEDD andiany voalohany : Ho fampiroboroboana ny fanabeazana ara-tontolo iainana
Voalohany eto Madagasikara no anatanterahana ny Foara ho an’ny Fanabeazana sy serasera ara-tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (ErEDD). Natomboka omaly 13 mey 2025 izany ary mifarana androany 14 may 2025. Eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina no anatanterahana ity hetsika ity.
Manana tanjona ny hampiroborobo ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora, amin’ny fikajiana ny tontolo iainana, ity foara ErEDD andiany voalohany ity. Araka izany, mandritra ny 2 andro hanatanterahana azy, dia misy ny trano heva miompana amin’ireo hetsika sy lahasa ara-tontolo iainana, izay azon’ny rehetra tsidihina. Eo ihany koa ny atrikasa izay natao hiadiana hevitra sy hanolorana vahaolana ho fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana ara-tontolo iainana eto Madagasikara. Ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Max Andonirina Fontaine, sy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle ary ny Solontena maharitry ny UNICEF eto Madagasikara, Christine Jaulmes, no nitarika ny lanonam-panokafana, omaly.
Mampita ny soatoavina ara-tontolo iainana
Nazavain-drtoa minisitry ny Fanabeazam-pirenena, fa tanjon’ny Fanjakana malagasy ny fanamaitsoana an’i Madagasikara sy ny fitandroana ireo harena voajanaharin’i Madagasikara. Ny fanabeazana ny ankizy, hoy izy, no ahafahana mampita ireo lalan-tsaina, teknika ary paikady ahafahana miaro ny tontolo iainana, izay mitarika any amin’ny fiovan’ny toe-tsaina sy fitondran-tena, ary mahatonga izany hiparitaka isan-tokantrano. Namafisin-drtoa Sahondrarimalala Marie Michelle, araka izany, fa ny ankizy mpianatra no tena masoivohon’ny fiarovana sy fanatsarana ny tontolo iainana.
Isan’ny asa ataon’ny ministera tantanany ny fampidirana ao anatin’ny praogramam-pampianarana sy any anatin’ireny fitaovam-pampianarana ireny, ny momba ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy. Miaraka amin’izany ny fanabeazana maha-olom-pirenena. Manatanteraka fampiofanana ireo mpampianatra ihany koa ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, mba hahafahan’izy ireo mampita ireo soatoavina any amin’ny mpianatra. Isan’ny efa napetraka, ankoatra izay ny fampisakafoanana an-tsekoly miankina amin’ny harena sy fahaiza-manao eo an-toerana (cantine scolaire endogène), ka isan’ny ampiroboroboina ao anatin’izany ny fambolena manaja ny tontolo iainana izay sady ahafahana miaro ny nofon-tany no ahazoan’ny ankizy sakafo feno otrikaina.

Mpianatra iray, hazo iray
Nanamafy ny minisitra Fontaine Max Andonirina, fa betsaka ny ezaka efa atao momba ny fiarovana ny tontolo iainana, na ara-tetikasa, na momba ny fanavaozana ny lalàna, hatramin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Raha tsy misy anefa ny fanabeazana ara-tontolo iainana dia tsy maharitra ny fiantraikan’ireo asa ireo, araka ny nambarany, ka izany no antony anamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Isan’ny tetikasa efa iarahana, ny « Mpianatra iray = hazo iray » (un élève = un arbre), izay efa efatra taona izao no nanatanterahana azy.
Fanabeazana ara-tontolo iainana
Ho an’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF) kosa, dia ilaina ny mampiditra ireo singa rehetra momba ny tontolo iainana, ao anatin’ny fanabeazana, mba hanovana ny fihetsika, hahafahana mahazo ireo tranga ara-toetr’andro sy hamerana ny voka-dratsin’izany ary hiarovana ny karazanjavamananaina tsy manam-paharoa ananan’i Madagasikara. « Ny ankizy ankehitriny no mandrafitra ny hoavy rahampitso, ka izy ireo no afaka mitondra ny fiovana lalina ilaina mba hiatrehana ny zava-misy, hoy rtoa Christine Jaulmes. Singa lehibe iray ao anatin’ny paikadin’ny UNICEF, noho izany ny fanabeazana ara-tontolo iainana, mba hahatonga ny ankizy sy ny zatovo ho vonona dieny izao, ho tonga olom-pirenena manana fahalalana mazava, ka afaka mandray ireo fanapahan-kevitra eo am-piatrehana ny fiovan’ny toetr’andro.
Manohana ny governemanta malagasy amin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana ny UNICEF, ka nampianatra ankizy 5.000 isa, nanentana azy ireo momba ny fambolen-kazo, namporisika ny fametrahana tanin-janakazo ary ny fananganana klioba ho an’ny fiarovana ny tontolo iainana sy fampihenana ny tandindon-doza sy ny loza. Ankoatra izay dia mpampianatra 1.800 isa no nofanina, mba hanana fahalalana momba ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fiarovana ny tontolo iainana.
Mitohy hatramin’ny androany ny ny Foara ho an’ny Fanabeazana sy Serasera Ara-tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ary maimaim-poana ny fidirana.