• Cours de change
  • 5137.34 AR
  • |
  • $4424.8 AR
Copyright Image : © Palawan News
Image
Vaovao

Ora iray ho an’ny tany : 60 minitra hahafahana maneho amin’ny fomba rehetra ny fiaraha-mientana ho amin’ny natiora

21/02/2025 14:20 © Moov

Hotanterahina ny 22 marsa izao ny ora iray ho an’ny tany amin’ity taona 2025 ity. Hetsika izay hiarahan’ny rehetra mientana ho an’ny natiora sy ny tontolo iainana. Hetsika maro no afaka hanehoana izany, araka ny fomba mahazatra ny rehetra sy ny fahitany ny ambana mianjady amin’ny tontolo manodidina azy.

Fandraisana anjaran’ny rehetra

Ao anatin’ny 24 ora, miantso ny rehetra ny WWF Madagasikara sy ireo fikambanana miaro ny tontolo iainana, mba hanokana ora iray ho an’ny tany. Fotoana natao hisaintsainana ny fiantraikan’ny fihetsika ataontsika ary handraisana andraikitra amin’ny alalan'ny asa mivaingana ho an'i Madagasikara sy ho an'ny planeta. « Ny erikerika mahatondra-drano, ka afaka manao zavatra avokoa na ny tsirairay, na eny anivon'ny tananantsika, ny fiarahamonina, ny sekoly, ny orinasa… », hoy ny avy ao amin’ny WWF Madagasikara.
Tsotra ny hatao amin’io fotoana lehibe io. Maro ny hetsika azo atao ary manana ny safidiny avokoa ny tsirairay amin’izay tiany. Ao anatin’izany ny fanentanana momba ny tontolo iainana, kilalao, diabe samihafa ary fampahalalana ny fiarahamonina fa lehibe loatra ho an'ny firenena ny natiora. Fampatsiahivana fa mila tiavina, kajiana, arovana mba ho lovainjafy, izy ireny. Ao anatin’izany hetsika samihafa izany dia manentana ny tsirairay ho ohatra mivaingana sy handrisika ny fiarahamonina hanao hetsika ho an’i Madagasikara sy ny tontolo iainana, ny WWF.

Mamono jiro

Ankoatra ireo hetsika samihafa ireo dia isan’ny manamarika ity fotoana ity ihany koa ny famonoana ny jiro mandritra ny ora iray. Raha tsiahivina ity hetsika ora iray ho an’ny tany ity dia andro iraisam-pirenena karakaraina isan-taona isaky ny sabotsy farany amin'ny volana marsa. Tafiditra ao anatin'ny hetsika ho an’ny firenena maro maneran-tany ny famonoana ny jiro sy ny fanesorana ireo fitaovana elektrika tsy ilaina mandritra ny adiny. Natao izany mba hampiroboroboana ny fitsitsiana herinaratra. Na ny jiron’ireo vakoka lehibe sy mamirapiratra maneran-tany aza dia saika tsy misy mirehitra avokoa. Tanjon’izany ny fampihenana ny entona mpangeja hafanana sy ny ady amin'ny fiakaran'ny hafanana be loatra.

Lire la suite

Articles Similaires