• Cours de change
  • 5137.34 AR
  • |
  • $4424.8 AR
Copyright Image : © Délégation De L'Ue À Madagascar
Image
Vaovao

Volobe Amont: Tohodrano hanampy betsaka amin’ny fampiroboroboana ny toekaren’i Madagasikara

21/02/2025 09:15 © Moov

Fanamby goavana ho an’i Madagasikara ny fiovana amin’ny fampiasana ireo angovo azo havaozaina. Hanomboka hiantehitra amin'ny famokarana izany karazana angovo izany izy manomboka izao. Natao izany mba hampiroboroboana ny toe-karena isam-paritra. Manoloana izany dia manohana ny fanamboarana ny tohodranon’i Volobe eo amin’ny reniranon’Ivondro, akaikin’i Toamasina, ny Vondrona eoropeanina. Nitsidika io toerana io ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina sy Frantsa, omaly.

Nijery ny tombontsoa mety ho azo amin’ny tetikasa ho an’ny mponina ao an-toerana sy ny toekarem-pirenena izy ireo.

Fiantraikany tsara ho an’ny toekarena sy sosialy

Ankoatra ny fampisitrahana herinaratra olona maro, ny tetikasa Volobe dia hanome tombontsoa ara-tsosialy sy ara-toekarena lehibe. Hiteraka asa manodidina ny 1 500 eo ho eo ny fanamboarana ny tohodrano ary hitondra anjara biriky amin’ny fanokafana ny faritra amin’ny fanarenana ny lalam-pirenena mirefy 26 km sy ny fanamboarana tetezana manamorona ny reniranon’Ivondro.
Nandritra ny fitsidihany dia nihaona tamin’ny solontenan’ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana, ny sehatra tsy miankina ary ny fiarahamonim-pirenena ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina sy Frantsay mba handrefesana ny fiantraikany sy ny zavatra andrasana manodidina ny tetikasa. Ity farany dia ampahany amin'ny paikadin'ny Vondrona Eoropeana « GlobalGateway », izay mampiroborobo ny fampandrosoana maharitra sy mitambatra amin'ny alàlan'ny angovo azo havaozina.

Fotodrafitrasa midadasika

Hamaly amin’ny filàna angovo tsy mitsaha-mitombo eto Madagasikara ity tohodranon’i Volobe ity. Rehefa miasa izy dia hanome herinaratra ho an'ny olona 2 tapitrisa mahery ary hanamafy ny indostrian'ny firenena. Tafiditra ao anatin’ny programa PRIRTEM 1, izay iarahan’ny Vondrona Eoropeanina sy ny Banky misahana ny fampiasam-bola eoropeanina ny tetikasa. Raha tsiahivina moa dia hanamora ny fitsinjarana ny jiro eo amin’i Toamasina sy Antananarivo izy io. Ny tanjona dia ny hiantohana ny fahazoana angovo madio sy mora, ka hampiroborobo ny fampandrosoana maharitra. Izy ity moa dia tetikasa stratejika mikendry ny hamokatra herinaratra tsy misy karbônina ho an'ny tokantrano, ny sampan-draharaham-panjakana ary ny orinasa samihafa.

Lire la suite

Articles Similaires