• Cours de change
  • 5137.34 AR
  • |
  • $4424.8 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Faritra arovana an-dranomasina : Manovo traikefa eto Madagasikara ireo firenena afrikanina

20/02/2025 11:30 © Moov.Mg

Nosy lehibe faha-4 maneran-tany ary firenena voalohany manana sisin-dranomasina lava indrindra aty Afrika, izay mirefy 5.603km, i Madagasikara. Azo lazaina, noho izany, fa manana traikefa isika, raha mitaha amin’ireo firenena hafa, eo amin’ny fikajiana ny Faritra Arovana an-dranomasina. Mifampizara traikefa amin’ireo firenena afrikanina hafa isika, amin’ny alalan’ny atrikasa tanterahina eto Antananarivo nanomboka omaly.

Fitantanana ireo faritra arovana an-dranomasina

Tanterahina eny Antaninarenina mandritra ny 3 andro, nanomboka omaly 19 febroary ary haharitra hatramin’ny rahampitso 21 febroary 2025, ny atrikasa fahadimin’ireo mpisehatra momba ny fiarovana ireo faritra arovana an-dranomasina, iarahana amin’ny UA-BIRA, izay birao teknika manokana momba fiarovana ny biby eo anivon’ny kômisiônan’ny Vondrona Afrikanina. Tanjon’ity atrikasa ity ny hamolavolana tondrozotra ho fanamafisana ny fitantanana ireo faritra arovana. « Izao fivoriana izao dia ahafahantsika mifampizara ireo traikefa maro izay ananantsika amin'ny fitantanana ireo faritra arovana », hoy ny nambaran’ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Mahatante Paubert, omaly, nandritra ny fanokafana ny atrikasa.

Miisa 38 eo ho eo ny firenena afrikanina manamorona ranomasina. Samy miezaka ireo firenena ireo, mandray anjara amin’ny fanatrarana ny tanjona tanjona 30x30 Kunming – Montreal, isan’izany i Madagasikara, hoy ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga. Io tanjona io moa dia mikendry ny fitahirizana ny 30%-n’ny tany sy ny ranomasina, hatramin’ny taona 2030.

Toekarena manga maharitra

Araka ny fantatra dia manana faritra arovana an-dranomasina miisa 23 i Madagasikara ankehitriny ary tanjona ny hahatratrarana velarana hatramin’ny iray tapitrisa ha, hatramin’ny faran’ny taona 2025. Manana faritra arovana tantanan’ny vondron’olona ifotony na "Locally Managed Marine Areas" (LMMA) miisa 280 isa ihany koa isika, izay mandrakotra velarana 17.000km2 manamorona ny sisin-dranomasina. Araka ny nambaran’ny minisitra dia ilaina ny mametraka fepetra ho fandanjalanjana ny fiarovana ny faritra arovana sy ny fanajana ny velon-tenan’ireo mpanjono, izay mitantana sy mampiasa ireo faritra arovana. Nanamafy ihany koa izy fa tsy misy ny toekarena manga maharitra, raha tsy misy ny fikajiana ny tontolo iainana sy ireo harena voajanahary ananantsika.

Andrasana hivoaka rahampitso ny tondrozotra vokatr’ity fivoriana fahadimy nokarakarain'ny Vondrona Afrikanina, tamin'ny alalan'ny UA-BIRA ity.

Lire la suite

Articles Similaires