Morondava : Tovovavy 14 taona nitsoaka ny tranon-dray aman-dreniny
Hita soa aman-tsara ihany ilay tovovavy 14 taona nifampitadiavana tao Morondava. Araka ny tatitry ny zandary, nanaraka ny sipany nitsoaka rakalakely.
Ny 17 febroary lasa teo no nandefa "ombay mitady" tamin'ny tambazotra sosialy ny renim-pianakaviana iray very zanaka. Mbola vao 14 taona moa ilay zazavavy ka tsy hita popoka. Ny alin'ny 19 febroary lasa teo vao fantatra fa nanaraka ny sipany, tovolahy mbola tsy ampy taona, ilay tovovavy. Noho ny fitaintainana be loatra, niditra hopitaly ary mbola tazomina any amin'izany toeram-pitsaboana izany ilay renim-pianakaviana.
Fugue na fitsoahana ny tranon-dray aman-dreny
Rehefa misy tsy fahitana adolantsento na tanora tsy ampy taona dia matetika fitsoahana an-tsitrapo no mahatonga izany. Resa-pitiavana matetika no mahatonga izany. Mitsoaka ilay tanoravavy na lahy hiaraka amin'ny olontiany an-tsokosoko, satria voararan'ny ray aman-dreny noho ny antony maro.
Mila fanabeazana tsara ny tanora lahy sy vavy, indrindra raha tsy amy taona nefa efa miditra eo amin'ny sehatry ny fitiavana. Entanina ireo ray aman-dreny rehetra mba samy hahay haka n fon'ny zanany avy mba tsy hanaonao foana izy ireo. Azo atao tsara ny mampahafantatra ny tanora ny adidy sy andraikitra miandry ireo mikasa hiroso amin'ny fiarahana matotra. Araka ny "vazivazy" sady fananarana nataon'ny CIRGN Antananarivo hoe "Fa heverinareo fa hoatran'ny manao tsikonina ve izany fitiavana izany ? Hitsimpona fonina bonbon dia mividy vary ?"
Ampahatsiahivina ihany koa ny rehetra mba tsy hampiantrano olona tsy ampy taona, na inona na inona antony, mba tsy haha-voarohirohy amina raharaha fanodikodinana zaza tsy ampy taona.