Fifamoivoizana eny amin’ny RN1 : Misokatra ho an’ny fiara madinika sy salantsalany ny lalana
Nisy fahatapahana ny lalana teny Ambatondramijay Fokontany Amparaky, ao anatin’ny Kaominina Analavory, ny maraina teo. Izany hoe eny amin’iny lalam-pirenena RN1 Bis iny. Nisehoana fitohanana nandritra ny fotoana naharitra teny an-toerana vokatr’izany.
Nosokafana ho an’ny fiara madinika ny lalana
Raha tokony afaka mampiasa iny lalana iny avokoa ny karazana fiara rehetra, ireo fiara madinika ihany aloha no afaka mampiasa azy vonjimaika. Raha ny fanazavana mantsy dia kamiao lehibe roa no tavela eo amin'ny arabe izay nihotsaka ka miteraka fitohanana sy fahatapahan'ny lalam-pirenena. Matetika dia saika io fihotsahan’ny lalana io hatrany no miteraka ny fikorontanana eny amin’ny lalana. Tsy vao sambany mantsy izany eny amin’ny RN1.
Nanoloana izany olana izany dia nanampy ireo mpampiasa lalana ny zandary sy ny Fitaleavam-paritry ny Asa vaventy ka nahita vahaolana vonjimaika. Nanamboarana fivilian-dàlana ho an'ny fiara madinika sy salantsalany teny an-toerana ka efa mizotra miandalana ny fifamoivoizana.
Maintany no fotoana tokony hanarenana ny lalana
Talohan'izao loza izao, efa nisehoana tranga hafa ihany koa iny lalana iny. Mbola vokatry ny rotsak'orana be loatra dia nihotsaka ny ampahany tamin’ny lalana. Efa misy moa ny orinasa eo am-panamboarana izany ka ny ilany ihany no azo nampiasaina. Vokatry ny orana nisesisesy anefa dia nihotsaka ihany koa ny ampahany namboarina handalovan'ny fiara ka tavela tao io fiara iray io. Nisy camion hafa koa tavela teo amin'ny ampahany ilany andalam-panamboarana. Manamafy hatrany izany loza izany fa ny fotoan’ny main-tany no tokony hanaovana ny fanarenana sy ny fanamboarana samihafa. Amin’izany fotoana izany no mety ho mafy kokoa ny tany ka hitazona tsara ireo akora ampiasaina. Efa fantatra ihany koa fa tsy maintsy miasa ireo mpitatitra na fahavaratra aza ka mety vao mainka hanelingelina ny fampiasana lalana ny fanamboarana.
Raha tsiahivina dia mbola lalana maro manerana ny Nosy no mampijaly ny mpampiasa azy, rehefa fahavaratra. Somary takona anefa ireo olana rehefa main-tany satria moramora ny mampiasa azy. Araka izany, iny fotoana iny indrindra no tokony hararaotina mba hanalefahana ny fahasahiranana.