Mozea Lampy ao Fenoarivo Atsinanana : Noraisin’ny oniversiten’i Toamasina ny fitantanana azy
Tranom-bakoka mitahiry ny haren-tsaina sy ny fomba mampiavaka ireo Malagasy avy amin’ny foko Betsimisaraka sy Zanamalata ny mozea Lampy ao Fenoarivo Atsinanana. Manomboka izao dia ny lalam-piofanana Anthropologie, ao amin’ny oniversiten’i Barikadimy Toamasina, no hitantana azy.
Mozea Lampy, manampy ireo mpikaroka
Ao Mahavelonkely Fenoarivo Atsinanana no ahitana ny tranombakoka Lampy, izay antsoina ihany koa hoe : « Musée Régional ». Ny fiaimpiainan’ireo Betsimisaraka tavaratra sy ny foko Zanamalata no tahirizin’ity mozea ity. Fitaovam-panjonoana, fitaovam-piadiana, fitaovan-dakozia, zava-maneno… fitaovana izay ahitana taratra ny fiainana andavanandro, ny fomba sy ny kolontsain’ireo foko ireo, no miranty ao anatiny. Ahitana afisy maromaro, mitantara ny momba ny tanànan’i Fenoarivo Atsinanana, ny fomba amam-panaon’ireo mponina, ary koa manazavazava fomba fiteny malagasy ihany koa ao anatiny.
Araka ny nambaran’ny Dr Ibay Célestin, mpampianatra mpikaroka ao amin’ny sampana Anthropologie ao amin’ny oniversiten’i Toamasina, dia mitahiry vakoka maro izay azo anaovana asa fikarohana ara-tsiantifika mikasika ny olombelona, ny tantara, ny kolontsaina Betsimisaraka, ny fiarahamonina niainana taloha… ao anatin’ity tanombakoka ity.
Lanonana famindram-pitantanana
Notanterahina omaly 17 febroary 2025 ny lanonana famindram-pitantanana ny Mozea Lampy ao Fenoarivo Atsinanana. Araka izany, natolotry ny prefektiora ho an’ny Lalam-piofanana Anthropologie ao amin’ny oniversiten’i Barikadimy ny lakilen’ity tranombakoka ity. Izany no natao dia mba ho fanamafisana ny fitantanana sy ny fikajiana ny vakoka, ary koa mba hanamorana ny fikarohana akademika tanterahin’ireo mpianatra sy ireo mpikaroka eo amin’ny sehatry ny « Anthropologie ».
Nilaza moa ny prefen’i Fenoarivo Atsinanana, Rasolomampionona Emmanuel, fa hanohy hanome tan-tsoroka ny oniversite, ny prefektiora, mba ho fameloma-maso ny vakoka. Tanjona ihany koa ny hisarihana ireo mpizahatany mba ho liana amin’ny tantara sy ny kolontsaina mampiavaka ny foko Betsimisaraka sy Zanamalata.