• Cours de change
  • 5137.34 AR
  • |
  • $4424.8 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

COP momba ny fifanarahan’i Rio : Nijoro ho firenena vahaolana i Madagasikara

18/02/2025 11:00 © Moov.Mg

Nanavao paikady i Madagasikara, nandritra ny fiatrehana ireo Fihaonana an-tampony momba ny Tontolo Iainana (COP) miisa 3, momba ny fifanarahan’i Rio, tamin’ny taon-dasa. Nanao tatitra momba ireo fahombiazana azo vokatr’izany ireo delegasiônina malagasy nandray anjara tamin’izany, omaly 17 febroary 2025, teny Anosy.

Raha tsiahivina dia miisa telo ireo COP momba ny fifanarahan’i Rio, izay samy natrehin’ireo delegasiônina avy aty Madagasikara avokoa tamin’ny taona 2024, dia ny COP16 momba ny fiarovana ny karazanjavamananaina, izay natao tany Kôlômbia ; ny COP 29 momba ny fiovan’ny toetr’andro tany Bakou Azerbaijan ; ary ny COP 16 momba ny ady amin’ny fihangazanan’ny tany, natao tany Riyad Emirà Arabo Mitambatra.

Samy nahazoam-bokatra tsara daholo ireo fihaonana an-tampony iraisam-pirenena ireo, araka ny tatitra nataon’ireo delegasiônina, notarihin’ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina. Nambarany fa navaozina tanteraka ny paikadin’i Madagasikara amin’ny fandraisana anjara amin’ireny COP ireny, ka « Madagasikara, firenena miasa sy mandroso vahaolana » no vina nentina, nandritra izany.

Nomarihiny anefa, ho an’ireo olona mbola tsy mahalala ny tena atao any amin’ireo COP momba ny fifanarahan’i Rio, fa tsy misy famatsiam-bola entina avy any amin’ireny fihaonana an-tampony ireny. Na izany aza, sehatra ahafahana mifampiresaka momba ny paikady ho entina miaro ny tontolo iainana izy ireny, ary fotoana ifandresen-dahatra, hahafahana misarika famatsiam-bola avy amin’ireo firenena matanjaka mpandoto amin’ny karibônina.

COP nahazoam-bokatra

Nisy vokatra azo tsapain-tanana kosa anefa, ny fanatrehana ireo fihaonana an-tampony momba ny fifanarahan’i Rio ireo. Tany Kôlômbia, dia voasafidin’ny Filohan’ny COP16 hitarika ny fifandresen-dahatra mahakasika ny fanetsehana famatsiam-bola ho an’ny karazanjavamananaina i Madagasikara, niaraka tamin’i Norvège. Nahafahan’i Madagasikara nanamafy ny maha-izy azy eo anatrehan’izao tontolo izao izany, sy nanamora ny adisisika manokana ho an’ny fiarovana ny karazanjavamananaina eto amintsika. Nampiavaka ny COP 29 tany Bakou Azerbaijan, ny fananganantsika, niaraka tamin’ny firenena 3 hafa, ny vondrona G-Zéro, izay ahitana ireo firenena tsy mpandoto sy mpisintona karibônina. Izany dia nanamafy fa firenena vahaolana amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro i Madagasikara. Tany Riyad kosa dia sambany isika no nanana « pavillon » manokana. Nanamora ny fanatanterahana ireo adisisika maro isan-karazany izany, araka ny tatitr’ireo delegasiônina. Ankoatra izay dia anisan’ireo firenena eo anivon’ny Fikambanam-pampandrosoan'ny Faritra Atsimon'i Afrika (SADC), nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fametrahana ny « Grande Muraille Verte » aty amin’ny faritra SADC, i Madagasikara.

Ho an’ny fanatsarana ny fiarovana ny tontolo iainana eto an-toerana, dia nilaza ny minisitra Fontaine Max Andonirina, fa tafiditra ao anatin’ny paikady ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpisehatra rehetra, toy ny mpitandro ny filaminana, ny mpitondra eny ifotony, ny mpiara-miasa iraisam-pirenena. Fa zava-dehibe indrindra ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny vondron’olona ifotony izay tena loharanom-baovao amin’ireo tranga rehetra mety miseho.

Lire la suite

Articles Similaires