• Cours de change
  • 5137.34 AR
  • |
  • $4424.8 AR
Copyright Image : © Bngrc
Image
Vaovao

BNGRC : Mampihatra ny paikady fiomanana mialoha amin’ny fiatrehana ny loza

18/02/2025 09:03 © Moov.Mg

Raha ny tatitra farany azo avy any amin’ny Birao nasiônaly misahana ny fitantanana ny Tandindon-doza sy ny Loza (BNGRC), dia tsy nisy ny aina nafoy, na ny olona naratra mafy, vokatry ny fiakaran’ny rano, tao anatin’ny andro vitsy izao. Isan’ny paikady napetraky ny BNGRC ny fiomanana mialoha amin’ny fiatrehana ny loza.

Pôlitika maneran-tany

Politika napetraka maneran-tany amin’ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza mihitsy ny fiomanana mialoha, izany hoe : tsy miandry ny fahatongavan’ny loza vao manao zavatra fa fantarina mialoha ny asa tokony atao, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Elack Olivier Andriakaja. Araka izany, efa vonona mialoha ny fandraisana an-tanana ireo olona mety ho traboina, toy ny toerana hamindrana vonjimaika ireo tsy maintsy miala amin’ny tranony sy ny sakafon’izy ireo.

Nisy ny fivoriana niarahana tamin’ireo mpiantsehatra rehetra voakasiky ny fandraisana andraikitra vokatr’ity tondra-drano ity. Isan’ny nasaina nanatrika izany ireo Ben’ny tanàna 3 lahy eny Atsimondrano, izay ahitana ireo olona traboina betsaka indrindra, dia ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika, Anosizato Andrefana ary Bemasoandro. Isan’ny nodinihina nandritra izany ny momba ny fampisakafoanana ireo olona traboina. Hatreto dia nizarana sakafo ampy ny tokantrano tsirairay, mandritra ny 5 andro, ireo mponina voatery nafindra toerana, ka ny ministeran’ny Mponina no isan’ny hiandraikitra ny fandrahoana izany. Mbola hitohy io fizarana sakafo io, raha mbola mitohy ny orana ka mbola tsy afaka ny hamonjy ny tokantranony ireo mponina, hoy hatrany ny fanazavan’ny jeneraly Elack Olivier Andriakaja.

Tsy nisy aina nafoy

Azo heverina fa nahomby ny fametrahana ny paikady fiomanana mialoha amin’ny fiatrehana ny loza. Raha ny antontan’isa farany voaray avy eo anivon’ny BNGRC, omaly 17 febroary tamin’ny 3 ora sy 30mn tolakandro mantsy, dia tsy nisy ny aina nafoy, na olona tsy hita popoka, na koa naratra mafy, nanomboka ny andron’ny 15 febroary 2025 nanatanterahan’ny BNGRC sy ireo mpiantsehatra rehetra ny vonjy voina vokatry ny fiakaran’ny rano teto Analamanga. Isan’ny voakasiky ny tondra-drano ihany koa ny any amin’ny Distrikan’Ifanadiana, Faritra Vatovavy. Tokantrano 941 isa kosa no traboina, ahitana olona 3 796 isa. 2 776 isa no nafindra eny amin’ny toerana fandraisana traboina vonjimaika miisa 5. Teo amin’ny fotodrafitrasa dia 741 isa ny trano dibo-drano, 5 ny trano nahitana fahasimbana amin’ny ampahany ary 5 ihany koa no simba tanteraka.

Lire la suite

Articles Similaires