Fifamoivoizana RN6 : Miasa maimaimpoana manomboka androany ny « bacs » fiampitana ao Ifasy sy Mahavavy
Izay vao mihena ny fahasahiranan’ny mpampiasa ny lalam-pirenena fahenina. Efa miasa manomboka androany mantsy ny « bacs » fiampitana eo amin’ny tetezan’Ifasy sy Mahavavy. Tonga nanara-maso tany an-toerana ny Minisitry ny asa vaventy androany. Nandritra izany no nilazany fa maimaimpoana tanteraka ny fampiasana ireo fitaovana ireo.
Mahazaka 25 taonina ireo « bacs »
Lakana no afaka niampitan’ireo mpampiasa iny lalam-pirenena iny taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Gamane farany teo tany an-toerana. Tsy maintsy nanao famindrana entana sy olona (transbordement) tamin’izany satria tsy afaka nandeha ireo fiara. Vokatr’izany dia nitombo ny masonkarena, indrindra ho an’ireo mpivarotra. Mivaha ny olana amin’izao fotoana izao, satria mahazaka hatramin’ny 25 taonina ny « bacs » izay ampiasaina. Izany hoe, afaka miaraka miampita ny olona sy ny fiara. Samy ahitana izany avokoa moa na ny eo Ifasy na ny eo Mahavavy. Nanamarika kosa ny Minisitra fa tsy maintsy hajaina io vesatra io mba hiantohana ny ain’olona sy ny faharetan’ny fitaovana. Raisin’ny Fanjakana an-tanana daholo ny solika sy ny karaman’ireo mpiasa, araka ny toromariky ny Filoham-pirenena. Atao laharam-pahamehana kosa ny fampitana ireo mpianatra isa-maraina.
Vahaolana vonjimaika ihany ireo « bacs »
Marihina fa anisan'ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Filankevitry ny Minisitra ny Alarobia 15 Janoary 2025 ny hanolorana vahaolana vonjimaika eo am-piandrasana ny fanarenana ireo tetezana. Isan’izany vahaolana izany ny fampandehanana ny Bacs. Efa eo ihany koa ankoatran’izany ny fivilian-dalana na « passages à gué » izay tapaka matetika rehefa miakatra ny rano noho ny orambe. Efa misy kosa ny tetibola sy ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny orinasa Colas amin’ny fanarenana ireo fivilian-dalana ireo. Hisy avy hatrany ny asa fanarenana ho tanterahina raha vao mihena ny rano.
Etsy ankilany, ho amin’ny antonony sy lavitr’ezaka kosa dia hisy ny fanadihadiana lalina amin’ny fanarenana sy fametrahana tetezam-by eo Ifasy sy Mahavavy, hoy hatrany ny Minisitra. Mitaky famatsiam-bola goavana rahateo ny asa ka maharitra kokoa ny fanadihadiana sy ny dingana arahina.