Tsifanjariantsakafo mitarazoka : Iray amin’ireo firenena 15 mbola ahitana tranga betsaka i Madagasikara
Miteraka takaitra ara-batana sy ara-tsaina ny tsifanjariantsakafo. Firenena 15 eto an-tany anefa no mbola tena ahitana zaza betsaka miaina tsifanjariantsakafo mitarazoka. Antom-pisian’ny fihaonana an-tampony iraisam-pirenena antsoina hoe : « Nutrition for Growth » (N4G) izany, izay hotanterahina amin’io volana martsa ho avy io, any Parisy Frantsa.
Fahataran’ny fitomboana
Isan’ny antom-pahafatesana voalohan’ireo zaza manerana izao tontolo izao ny tsifanjariantsakafo. Ny 1.000 andro voalohany iainan’ny zaza dia isan’ny tena tokony tandremana, satria be dia be ny filàna momba ireo singa mamelona, izay tokony ho feno, mandritra io fe-potoana io. Ny tsy fahampian’izany singa izany dia miteraka fahataran’ny fitomboan’ny ankizy, ary mety hitarika hatramin’ny fahasembanana sy ny fahafatesana mihitsy aza.
Eto Madagasikara dia ny 39,8%-n’ny zaza latsaky ny 5 taona no tratran’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka, araka ny fanadihadiana momba ny mponina sy ny fahasalamana andiany faha-5 (EDSMD-V) tamin’ny taona 2021. Maneran-tany kosa dia tombanana ho ankizy 149 tapitrisa, latsaky ny 5 taona, no tratran’ny fahatarana ara-pitomboana. Firenena miisa 15 eto an-tany no tena ahitana an’izany, araka ny nambaran’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF). Isan’izany i Afghanistan, Burkina Faso, Nigéria, Somalie, Soudan… ary koa i Madagasikara.
Famongorana ny tsifanjariantsakafo
Hetsika iray lehibe entina itadiavam-bahaolana amin’ny tsifanjariantsakafo ny N4G, izay hotanterahina ny 27 sy 28 martsa 2025, any Parisy. Ny ministera frantsay ho an’i Eoropa sy ny raharaham-bahiny no mikarakara ity fihaonana an-tampony ity, izay hatrehin’ny filoham-panjakana maro maneran-tany, ny vondron’ny Firenena Mikambana, ireo mpamatsy vola, ireo manam-pahaizana mpikaroka sy ireo mpikamban’ny fiarahamonim-pirenena. Efa nanambara ny paraiminisitra frantsay, Emmanuel Macron, fa handray anjara amin’ity N4G ity. Isan’ny ho avy ihany koa ny tale jeneralin’ny UNICEF, Catherine Russell.
Nanomboka tamin’ny taona 2013 nisiany, dia hetsika iraisam-pirenena isan’ny lehibe indrindra, mamporisika ny hametrahana ny fanjariantsakafo ao anatin’ny fandaharanasam-pampandrosoana iraisam-pirenena, ny N4G. Araka izany, hifantoka betsaka amin’ny firotsahana ara-pôlitikan’ireo firenena tsirairay sy ny fanetsehana ny famatsiam-bola ho an’ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo ny fihaonana. Tanjona ny hanafainganana ny ezaka hamongorana ny tsifanjariantsakafo maneran-tany.