• Cours de change
  • 5137.34 AR
  • |
  • $4424.8 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Fampitaovana : Hahazo fiaramanidina miisa 3 hanamafisana ny fandriam-pahalemana ny Foloalindahy

17/02/2025 15:09 © Moov

Andro manan-danja ho an’ny Foloalindahy ny androany. Fotoana nametrahana faneva ireo manamboninahitra Jeneraly izay nahazo ny laharam-boninahitra tamin'ny taona 2024. Ankoatra izay dia nanamafy ny Filoham-pirenena fa hahazo fitaovana samihafa izy ireo hanatanterahana ny asa.

Fitaovana vaovao sy fitaovana havaozina

Notanterahina teny amin’ny Vondron’ny mpilatsaka an’elon’aina teny Ivato ity lanonana ara-miaramila ity. Tonga nanotrona izany ny Filoham-pirenena sy ireo manam-boninahitra samihafa ary ireo fianakavian’ireo Jeneraly vaovao. Nandritra ny lahateniny no nilazan’ny Filoha ny fampitaovana ho azy ireo.Samy hisitraka izany avokoa ny miaramila, ny zandary ary ny polisim-pirenena. « Hanamarika ny faha-65 taona niorenan’ny Foloalindahy isika amin’ity taona ity. Mba ho ankalazaina anaty fahamendrehana izany dia hamafisina ny fitaovana ho anareo. Hahazo fiaramanidina miisa 3 ianareo. Entina mitondra ireo « troupe » izy io ary hitondrana ireo famonjena raha sendra loza voajanahary ihany koa », hoy ny Filoha nandritra ny fandraisam-pitenenany. Ankoatra izany dia entina hanamafisana ny fandriam-pahalemana ihany koa.
Fanampin’ireo fitaovana ireo ; ary mba ho reharehan’ny Malagasy ireto tafika ireto dia ho avaozina ihany koa ny fanamian’izy ireo, hoy hatrany ny Filoha. Ho tafiditra ao anatin’ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovan-tena ihany koa izany hetsika izany.

Mitombo ny adidin’ireo Jeneraly

Raha tsiahivina dia miisa 35 ireo Jeneraly ireo. Général de Brigade 22 vaovao, sy Général de Division 13 vaovao izany. Nametraka hafatra mafonja ho azy ireo ny Minisitry ny Foloalindahy nandritra io fotoana io. « Fankasitrahana ny asa vitanareo izao lanonana hatao izao. Fanehoana fahafaham-po ihany koa. Etsy ankilany anefa dia manamarika fa mitombo ny andraikitra ho sahaninareo eo anivon’ny foloalindahy sy ny sampan-draharaha rehetra », hoy ny Minisitra, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin. Tsy hisy fiovana kosa anefa ny asa efa nahafantarana dia ny fitandroana hatrany ny fandriam-pahalemana. Isan’ny tena hampiasa tanteraka ireo fitaovana vao nomena araka izany izy ireo ; na amin’ny fomba mivantana na amin’ny fomba hafa. Nanamafy ny Filoham-pirenena fa tokony ho modely eo anivon’ny fanatanterahana ny asa sy ny olompirenena ireto Jeneraly ireto.

Lire la suite

Articles Similaires