• Cours de change
  • 5117.22 AR
  • |
  • $4436.63 AR
Copyright Image : © L'Express De Madagascar
Image
Vaovao

Fampivoarana ny famokarana : Faritra miisa 12 hizarana hanam-pamokarana hampitomboana ny voka-bary

30/01/2025 12:01 © Moov

Fanamby goavana ho an’ny Madagasikara ny voly vary hahafahana manatratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Manoloana izany dia noraisin’ny filan-kevitry ny Minisitra, omaly, ny fanapahan-kevitra amin’ny fizarana hanam-pamokarana betsaka. Faritra miisa 12 no tapaka fa hizarana izany.

Vokatra hamokarana sy fitaovana

Efa nanomboka tao anatin’ny volana maromaro ny fizarana fitaovana sy hanam-pamokarana isan-karazany tamin’ny Distrika maro. Tokana hatrany ny tanjon’izany dia ny fampiakarana ny vokatra. Tamin’ity filan-kevitry ny minisitra ity dia hozaraina amin’ireo faritra tena mpamokatra ireo ny masomboly vary safiotra 200 taonina. Hiaraka amin’izany ny zezika NPK 2 400 taonina sy "urée" 800 taonina ary zezika organika 2 800 taonina. Nomarihin’ity tatitra ny filan-kevitra ity hatrany fa efa tonga eto an-toerana avokoa ireo masomboly vary safiotra ireo. Hanomboka ny fizarana ofisialy izany ny Filohan’ny Repoblika ary hitarika ny fitsinjarana manerana ny Nosy kosa ny Sekreteram-panjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Ankoatra ireo hanam-pamokarana ireo anefa dia isan’ny ho avy ihany koa ny fitaovam-pamokarana samihafa. Ao anatin’izany ny "vanneuses" miisa 2 133 sy "batteuses" miisa 2 133. Natao indrindra hahafahana mampihena 5% ny taham-pahaverezana mandritra ny fijinjana sy hanohanana ireo mpiantsehatra eo amin’ny fambolena ho matihanina izy ireo.

Hamokatra masomboly eto an-toerana

Fanamby napetraky ny Fitondram-panjakana ny hamokarana vary iray tapitrisa (1 000 000) taonina fanampiny, ka ny 176.000 taonina amin'izany dia vary safiotra. Isan’ny tanjona ihany koa ny hampihena ny fanafarana vary avy any ivelany sy hahatratrarana ny fahavitan-tena ara-bary amin'ity taona 2025 ity fa indrindra ny hahafahan'i Madagasikara manondrana vary manomboka ny taona 2027. Eo anatrehan’izany dia efa mandeha ny ezaka hahafahana mamokatra masomboly eto Madagasikara ihany. Efa mandroso ny fikarohana eo anivon’ny FOFIFA mikasika ny vary TSEMAKA, ary tokony hamafisina tanteraka izany, hoy ny Filoham-pirenena. Ny tanjona amin’izany dia amin'ny herintaona, tokony efa afaka hanana ny masomboly vokarina eto an-toerana tanteraka isika ho reharehan'ny firenena.

Lire la suite

Articles Similaires