• Cours de change
  • 5099.04 AR
  • |
  • $4447.21 AR
Copyright Image : © Mesupres
Image
Vaovao

Fanatsarana ny fampianarana ambony : Voaresaka matetika ny fampiasana ny teknolojia

31/07/2025 10:30 © Moov

Efa tsy afa-miala amin’ny fampiasana ny teknolojia intsony ny mpianatra Malagasy ary maro no efa tena miankina betsaka aminy mihitsy aza. Tao anatin’ny iray volana izay dia nanatanteraka ny « Mois des Universités en Dialogue », andiany voalohany, ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES). Hetsika entina hanatsarana ny fampianarana ambony.

Hetsika hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana

Voaresaka betsaka tamin’ny hetsika ny mikasika ny teknolojia. Izy ity moa dia tanterahin’ny MESUPRES miaraka amin’ny Fonds Communs de l’Education (FCE), hanamafisana ny kalitaon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara. Ady hevitra nifototra tamin’ny lohahevitra lehibe hoe, “Ny fihaonan’ny fikarohana sy ny fanavaozana ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara". Notanterahina tamin’ireo Oniversite manerana ny Nosy izany. Maro no nifantoka tamin’ny zava-dohahevitra mikasika ny teknolojia. Nanamafy ireo mpandray anjara tamin’izany fa tena ilaina ny teknolojia, hampiakarana ny lentan’ny fampianarana.
Tao Fianarantsoa, ohatra dia nodinihana manokana ny fampianarana ambony sy ny faharanitan-tsaina artifisialy : mankany amin'ny fampianarana vaovao sy tsara kalitao ny 30 Jona. Nitohy ny 15 Jolay tany Itasy izany manodidina ny lohahevitra ny siansa sy teknolojika ho an'ny hoavin'ny Madagasikara. Mbola nisy, ihany koa ny 28 Jolay ny fanovana nomerika, olana, fanamby ary fahafahana ho an'ny tontolon'ny fampianarana ambony Malagasy, izay nodinihana tany Antsiranana. Teo ihany koa ny lohahevitra mankany amin'ny anjerimanontolo manavao : fampidirana ireo teknolojia vao misondrotra amin'ny fampianarana ambony, ny tao amin’ny ESPA Vontovorona. Samy namoaka ny heviny ny tsirairay mba hampivoarana ny rafi-pampianarana.

Fanavaozana ny fomba fampianarana

Ankaotra ny teknolojia anefa dia nifampidinihina ihany koa ny mety ho azo atao hanavaozana ny fomba fampianarana. Voaresaka tao Toamasina ny fampifandraisana ny fampianarana sy ny tontolon’ny asa. « Anjerimanontolo sy ny tsenan’ny asa : ny fomba hampifanaraka tsara ny fiofanana amin’ny filan’ny fiaraha-monina sy ara-toekarena eto Madagasikara » no nifantohana ny 29 Jolay tany Toamasina. Mifanaraka amin’izany, ny 30 Jolay tany Mahajanga, nifantoka tamin'ny fanavaozana fanabeazana sy fianarana mavitrika : fandinihana ny fomba fampianarana eny amin'ny Oniversite ny lohahevitra. Ho an'i Toliara dia noresahina ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana amin’ny alalan’ny fitantanana ny Oniversite.
Ny fampiroboroboana iraisam-pirenena ny fikarohana mba hanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana ambony kosa no tao Antananarivo.
Tanjon’ny hetsika ny hanamafisana ny fifampiresahana eo amin’ireo mpisehatra rehetra eny amin’ny Anjerimanontolo. Eny Ankatso, anio 31 jolay, no handravonana ireo lohahevitra isaky ny Oniversite tsirairay ireo.

Lire la suite

Articles Similaires