• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 25 novambra hatramin'ny 1 desambra 2025

02/12/2024 00:04 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 25 novambra hatramin'ny alahady 1 desambra.

FIBA 3x3 AFRICA CUP # Mpandresy i Madagasikara Sokajy Lahy sy Vavy

Fandresena miezinezina no nobatain'i Madagasikara, omaly 1 desambra. Samy nibata ny amboara avokoa na ny Sokajy Lehilahy na ny Sokajy Vehivavy. Ara-tantara, efa tamin'ny taona 1970 i Madagasikara no nisalotra ny anaram-boninahitra "tompon-dakan'i Afrika), ka izao nibata fandresena izao indray, 50 taona mahery aty aoriana.
Teny amin'ny Palais des Sports Mahamasina no nanatanterahana ny lalao nandritra ny 3 andro, nanomboka ny zoma 29 novambra. Tsara ny manamarika fa nahazo tapakila fandraisana anjara amin'ny fiadiana ny amboara manerantany amin'ny taona 2025 i Madagasikara.

Telma # Niova ho YAS ny anarany

Ny 26 novambra lasa teo no niova anarana ny Telma. Miova ho "YAS" avokoa ny anaran'ireo orinasa misehatra amin'ny fifandraisandavitry ny Vondrona AXIAN manerana an'i Afrika. Lasa YAS avokoa izany ny anaran'ny Telma eto Madagasikara, ny Telma Comores any Moroni Comores, ny Togocom any Togo, ny Tigo any Tanzanie, ny Free any Sénégal. Tsara ny mampahatsiahy fa ny Axian Télécom dia tambazotra faha-6 eto Afrika, ary manana mpanjifa maherin'ny 40 tapitrisa.
Ho an'ny Yas Madagascar manokana, tsy misy miova ny tolotra, na antso, na SMS na internet. Misy kosa ny fanomezana ho an'ny mpanjifa amin'izao fiovana anarana izao. Misy ihany koa ny fanatsarana ny fandraisana ny mpanjifa eny anivon'ireo "Shop", mba tsy hampihena ny filaharambe.

Fizahantany # Hisy sidina mampitohy an'i Nosy-Be sy Israely

Mitohy hatrany ireo ezaka marolafy mba hampiroboroboana hatrany ny fizahantany. Misokatra amina kaompania an'habakabaka vaovao indray ny lanitr'i Madagasikara : ny kaompania israelianina Arkia Isaraeli Airlines. Hisy zotra mampifandray an'i Israely sy Nosy Be, manomboka ny 4 desambra. Fiaramanidina A320 no ho ampiasaina ka mpandeha hatramin’ny 200 isa isaky ny sidina no zakany. Ho fanandramana, hanao sidina telo eto amintsika ny Arkia Israeli Airlines, dia ny 4, 11 ary ny 18 desambra 2024.

Ady amin'ny herisetra # 16 jours d'activisme

Nanomboka ny 25 novambra ka maharitra 16 andro ny hetsika manohana hanafoanana ny herisetra mifototra amin'ny lahy sy ny vavy (VBG). Tamin'io fanombohana io no nankalazana ny "Orange Day", nampisehoana izao tontolo izao fa miady mafy amin'ny herisetra na ny Fanjakana, na ireo fikambanana na ireo tompon'andraikitra isan'ambaratongany. Ireo vehivavy iharan'ny herisetra no tena jerena manokana amin'izany, na dia tsy adino aza fa misy ihany koa ireo lehilahy mijaly any an-tokantranony. Misy ireo fandaharam-potoana samihafa izay hikendrena vokatra azo tsapain-tanana, hatramin'ny 10 desambra. Mitohy hatrany ny fanentanana ireo iharan'ny herisetra, na ara-batana na ara-tsaina, mba ho sahy hitoroka.

Zava-mahadomelina # Olona 5 no voasamboatra

Olona miisa 5 no voasambotry ny Polisin'ny STUP teto Antananarivo ny 26 novambra lasa teo. Ny iray teny Andoharanofotsy ary ny 4 teny amin'ny Fasan'ny karana.
Naharay loharanom-baovao mari-pototra ny Polisy miasa ao amin'ny STUP Anosy fa misy olona mivarotra sy mifoka rongony ao Andoharanofotsy. Natao ny velam-pandrika ka tratra tao an-tranony ny lehilahy iray miaraka amin'ny fonosana rongony miisa 36. Nitohy ny fisamborana dia olona miisa efatra (4) hafa ihany koa no tratra teo amin'ny fiantsonan'ny taxi brousse Fasan'ny karana miaraka amin'ny fonosana rongony miisa 250.

FPVM # Fankalazana ny faha-50 taona naha-mpitandrina an'i Pst Randrianatoandro

"Vavaka ho an'i Madagasikara" : izany no lohahevitra nobanjinina omaly alahady 1 desambra, nandritra ny fankalazana ny faha-50 taona naha-mpitandrina an'i Pst Randrianatoandro. Filoha mpanorina ny FPVM moa ny tenany, rehefa nisaraka tamin'ny FJKM noho ny tsy fitoviam-pijery. Niara-niombom-bavaka tamin'ireo mpino FPVM ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, teny amin'ny Gymnase Mahamasina. Nisy ny fanolorana fanomezana manokana hanohizana ny asa fanompoana, dia ny fiara tsy mataho-dalana.

Ankadivoribe # Raimpianakaviana namono olona 3 akaiky azy

Nisy olona 3 tsy hita popoka tao Ankadivoribe Ambatolampy nanomboka tamin'ny volana septambra : renim-pianakaviana 56 taona, niaraka tamin'ny zanany 35 taona sy ny zafikeliny 4 taona. Ilay vinantolahy no niantefan'ny ahiahin'ny zandary mpanao famotorana. Fantatra tamin'ny fanadihadihana natao fa nentin'ny hamamoana izy, sady nisy disadisa rahateo tamin'ny sy ny vadiny ka novonoiny ity farany ary naleviny tanaty kirihitr'ala. Rehefa tsy hita ilay vehivavy dia niahiahy ny reniny ka novonoin'ilay lehilahy ihany koa, tamin'ny alalan'ny fikapohana ny lohany. Nahita ny namonoan-drainy ilay renibeny nefa ilay zazalahikely ka dia notaperina ihany koa ny ainy, tamin'ny alalan'ny poizina.

Sava # Fisitrahana fotodrafitr'asa fidiovana sy famatsiana rano fisotro madio

Mitondra tombony azo tsapain-tanana ao amin'ny faritra Sava ny tetikasa "Vinilla", vatsian'ny Captain Morgan any Angleterre vola. Ny 19 novambra lasa teo, nisy ny fandraisana ara-teknika fotodrafitrasa famatsiana rano fisotro madio tao amin’ny fokontany Antsahamanara, Kaominina Ambanivohitra Ambodivoara, Distrikan’i Sambava. Ireto avy ireo fotodrafitrasa azo : tohadrano fakana rano 01; fanatatavanana rano 01; fitahirizan-drano 01 ary fatsakana miisa 23. Vinavinaina hamatsy olona eo amin’ny 5050 manerana ny fokontany 03 ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambodivoara ny tetikasa.

Diana # Fanomezan-danja ny fahadiovana sy ny fidiovana

Tontosa ny 27 novambra lasa teo ny fandraisana vonjimaika ny asa fanavaozana ny trano fanadiovana sy fidiovana tao amin’ny CSB Tanambao Marivorahona, Distrikan’Ambilobe. Ny ekipan’ny Fitaleavam-paritra ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana ao Diana moa no mpikarakara, ary ny tetikasa Helvetas no nahazoana ny famatsiam-bola. Ireto avy ireo fotodrafitrasa nositrahina : trano fidiovana 01, kabone 01 ary famanizana 01 ho an’ny lehilahy ; trano fidiovana 01, kabone 02 ho an’ny vehivavy ; trano fidiovana 01, kabone 01 ho an’ireo olona manana fahasembanana ; toerana fandoroana fako sy fitoeran-davenona ary toerana fanariana fako iray.

Lire la suite

Articles Similaires