• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Amp
Image
Vaovao

Fampianarana : Mpianatra mivoaka avy ao amin’ny ENS miisa 4 000 miandry ny fandraisana azy ireo

26/07/2024 14:05 © Moov

Efa ela no nisy fandraisana mpampianatra mivoaka avy ao amin’ny ENS ho mpiasam-panjakana farany. Mpianatra miisa maherin’ny 4 000 manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao no miandry ny fandraisana azy ireo. Nanaiytra ny Tompon’nardaikitra ireo mpianatry ny ENS Ampefiloha, omaly, ny mba handray fepetra mifanaraka amin’izany.

2022 nisy fandraisana mpampianatra farany

Maro ireo mpianatra no mivoaka ho mpampianatra amin’ireny ENS rehetra manerana ny Nosy ireny. Amin’izao fotoana izao dia manodidina ny 600 eo ho eo isaky ny ivontoeram-pampianarana manerana ny Nosy ny isan’izy ireo. Maindry fatratra ny fandraisana azy ireo ireto mpampianatra ireto. Raha tsiahivina, hoy ireo solontenan’izy ireo dia efa tamin’ny taona 2022 no nisy fandrasiana mpampianatra farany. Araka izany dia ireo rehetra izay nivoaka taorian’io fotoana io ireto miandry ny anjarany ireto. « Efa tany amin’ny faraparan’ny taona 2023 tany no nalefanay ny lisitra misy anay rehetra. Hatramin’izao dia mbola tsy misy valiny izany kanefa nodradradradraina tamin’izany fotoana izany fa hatao laharam-pahamehana ny fandraisana mpiasam-panjakan », hoy ny Filohan’ny mpianatra etsy amin’ny ENS Ampefiloha. Miandry ny fahatanterahan’izany fampanantenana paokaty izany ireto mpianatra ireto amin’izao fotoana izao.

Tsy misy fandraisana mpiasam-panjakana

Nivoaka tamin’ny filan-kevitry ny minisitra ihany koa ny fampahafantaran fa tsy hisy fandraisana mpiasam-panjakana amin’ity taona ity afatsy ny ao amin’ny fiarovam-pirenena irery ihany. Manoloana izany indrindra dia mitaintaina ireto mpianatra nivoaka ho mpampianatra ireto. « Hatramin’izao tsy mbola nisy Tompon’andraikitra niteny taminay ny momba io didy io ary tsy mbola nisy ihany koa ny fifampiresahana amin’ny fikarohana vahaolana », hoy hatrany ireto mpampianatra ireto. Araka izany dia mbola miandry izany izy ireo. Ankoatra izay anefa dia mangataka ny hiverenan’ny fandraisana mpampianatra tsy miovaova izy ireo. Marihina fa mamoaka mpampianatra isan-taona ny ENS. Hitombo hatrany ny olana raha hajanona ny fandraisana azy ireo. Tamin’ny omaly iny dia mbola nanao ny fangatahana tamim-pilaminana izy ireo. Raha tsy mivaly kosa anefa izany dia hiakatra amin’ny dingana ambonimbony kokoa izy ireo raha ny fanazavana.

Lire la suite

Articles Similaires