• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Manomboka ny asa fanamboaran-dalana miditra amin’ny tanàna vaovao Imerintsiatosika

26/07/2024 10:27 © Moov

Natomboka ny alarobia lasa teo ny asa fanamboaran-dalana na « route d’accès » miditra amin’ilay tanana vaovao “ Tana- Masoandro”. Hita eny Imerintsiatosika eny amin’ny lalam-pirenena voalohany “RN1”, ao amin’ny Faritra Itasy ity toerana ity. Miara-mientana ny Minisiteran’ny Asa Vaventy sy ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna Vaovao sy ny Toeram-ponenana amin’ny alalan’ny Tetikasa « Ankohonana Miarina »

Lalana mirefy 15Km

Lalana mirefy 15Km, miditra eo amin’ny tanàna vaovao, no asiam-panamboarana. Mampitohy an' Imeritsiatosika sy Ambohimiarina ary Tsimahabeomby II io lalana amboarina io. Ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Asa Vaventy (DRTP) Itasy sy ny Fitaleavana misahana ny fotodrafitrasa (DINFRA) no miandraikitra izany. Tafiditra anatin’ny asa ny « terrassement », ny « reprofilage lourd » sy ny « couche de roulement ». Etsy andaniny dia misy ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny Governoran’ny Faritra Itasy amin’ny fampitaovana. Ao anatin’izany ny niveleuse, tracks, compacteur, camion benne, camion-citerne, ary motopompe. Tonga nanatrika teny an-toerana ny Governora mpisolo toerana ao amin’ny Faritra Itasy nandritra ny fanombohan’io asa fanamboarana io.

Fampandrosoana sy fiovana

Raha tsiahivina dia ao anatin’ny Tetikasam-panjakana hahafahana manalalaka ny tanànan’Antananarivo ity Tana-Masoandro ity. Manodidina ny 700Ha eo no mandrafitra ity tanàna vaovao ity. Maro ireo tombony afaka sitrahin’ny mponina ao anatiny ao. Ao ny trano fonenana, tsena, orinasa isan-karazany, toerana hahafahana miala voly, fotodrafitrasam-pahasalamana sy fanabeazana ary ireo hafa rehetra. Hisy koa anefa ny fiantsonan'ny fiara goavana izay tsy hahazo hivezivezy ao anatin'io tanàna vaovao io. Ao koa ny toerana natokana ho an'ny mpamonjy voina, ny resaka angovo isan-karazana sy ny rano ary ny resaka fandriam-pahalemana. Tsy adino ny tobin-dasantsy. Marihina moa fa efa ao anatin’ny dingana fifanaovan-tsonia ny fifanaraham-barotra amin’ireo izay nisitraka ny trano fonenana ny SENVH sy ny ANALOGH amin’izao.

Lire la suite

Articles Similaires