• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Fambolena: Mitombo hatrany ny vokatra voanjo isan-taona ao Menabe

26/07/2024 09:17 © Moov

Tsara ny vokatra voanjo asara ho an’ny faritra Menabe tamin'ity taona 2024 ity. Nahatratra hatramin'ny 15 500 Ha ny tany nahazoana vokatra tamin'izany. Marihina moa fa ity faritra ity no mbola mitana ny laharana voalohany amin'ny famokarana voanjo eto Madagasikara. Tatitra izay notanterahin'ny Talem-paritry ny Fambolena sy ny fiompiana Menabe no nahafahana namoaka izany.

Distrika dimy

Faritra anisan’ny mpamokatra voanjo betsaka indrindra eto Madagasikara i Menabe. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny fitaleavam-paritry ny Fambolena sy Fiompiana Menabe hatrany dia anton'izany ny nahitana vokatra tamin'ireo distrika miisa dimy. Ao anatin'izany Mahabo, Belo tsiribihina, Miandrivazo izay nahitana fitomboan'ny tantsaha betsaka indrindra, ary Morondava sy Manja. Azo lazaina ho anisan’ny nampiakatra ny taham-pamokarana ny fanarahan’ny tantsaha ny teknika mahomby entina manatsara ny fambolena voanjo sy ny fahampian’ny rotsakorana. Tao ihany koa ny fizarana masomboly voanjo 57,5taonina, sy zezika 246 taonina izay niarahana tamin'ny PURPA sy FDA. Ny voanjo Fleur onze aloha hatreto no tena mahaliana ireo mpamboly.

Milina manodina ho menaka

Amin'ny alalan'ny politikam-panjakana ny hanangana orinasa ho an'ny tantsaha (ODOF) dia efa nahazo izany ny faritra menabe. Efa manana milina mpanodina voanjo ho lasa menaka izy ireo amin'izao. Tombony ho azy ireo ny fananana izany. Hanampy ireo tantsaha amin'ny velon-tenany sy ny fidiram-bolany izany. Nilaza ireto tantsaha ireto fa ny fanodinana ity voanjo ity ho menaka irery ihany no hampiakatra ny vidiny. Nomarihiny ihany koa ny tokony handraisan'ny Fanjakana andraikitra mba hijerevana io vidina voanjo ambany dia ambany io. Marihina ihany koa fa mitombo isa ihany koa ny kaoperativa misehatra amin'ny raharaham-boanjo any an-toerana. Hanangona sy hanodina ny vokatra ho lasa menaka ao Morondava ny tanjon'izy ireo. Efa nahazo fampiofanana ireo mpikambana ao amin'ireo Kaoperativa ahafahana mamokatra kalitao menaka tsara.
Raha ny tatitra hatrany dia efa miditra tsikelikely amin'ny fambolena voanjo asotry ireo tantsaha fa tsy hionona amin'ny voanjo fleur onze fotsiny ihany.

Lire la suite

Articles Similaires