• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fiaraha-miasan’i Madagasikara sy La Réunion : Nihaona tamin’ny filoha Andry Rajoelina Rtoa Huguette Bello

22/07/2024 16:16 © Moov.Mg

Ao anatin’ny fitsidihany an’i Madagasikara dia nihaona tamin’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, androany 22 jolay 2024, ny filohan’ny filàn-kevi-paritr’i La Réunion, Rtoa Huguette Bello. Fifanakalozana momba ireo sehatra azon’ny nosy roa tonta hiaraha-miasa no vontoatin’ny fihaonana.

Fampandrosoana iombonana

Manana fifandraisana akaiky i Madagasikara sy La Réunion, satria manana tantara iraisana, raha tsy hilaza fotsiny afa-tsy ny momba ny fiavian’ny mponina. Nosy mpirahavavy aty amin’ny ranomasimbe Indianina rahateo. Maro ireo fanamby iraisana amin’ny fampandrosoana, ka rariny raha misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Araka izany, nifanakalo hevitra momba ireo seha-piaraha-miasa azo entina mitondra fampandrosoana iombonana sy lovain-jafy eto amin'ny ranomasimbe Indianina ny filoha Andry Rajoelina sy Rtoa Huguette Bello, nandritra ny dinika nifanaovan’izy ireo androany. Firenena midadasika ary lehibe lavitra noho i Frantsa i Madagasikara, hoy rtoa Filohan’ny filan-kevi-paritr’i La Réunion. Nofaritany ho sompitry ny ranomasimbe Indianina ihany koa ny firenentsika, noho ireo tombony betsaka ananany. Firenena manankarena nefa mahantra i Madagasikara, hoy izy. Betsaka ny fiaraha-miasa azon’ny roa tonta iarahana manatanteraka mba hisian’ny fampandrosoana, toy ny lafiny fahasalamana, fampianarana, angovo azo havaozina, toekarena manga, fizahantany…

Fahasalamana tsara kalitao

Eo amin’ny lafiny fahasalamana manokana dia nilaza rtoa Huguette Bello fa manana manam-pahaizana i Madagasikara ary misy mpikaroka malagasy miasa any La Réunion. Tamin’ny taonjato teo aloha aza, araka ny nomarihiny, dia taty Madagasikara no nitsabo tena ny mponin’i La Réunion. Nankasitrahany manokana moa ny fandaharan'asa nasionaly napetraky ny Filohan’ny Repoblika, momba ny fandrindram-piterahana, ary nankahery ny Fitondram-panjakana amin'ny fanatanterahana izany izy. Tetsy an-daniny, ny filoha Andry Rajoelina dia namelabelatra ny momba ireo fandaharanasa isan-tsokajiny hanomezana fahasalamana tsara kalitao ho an’ny vahoaka malagasy. Noresahan’ny filoha ihany koa ny fiaraha-miasa azo entina manamafy ny fahaiza-manao sy ny traikefan’ireo mpitsabo malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires