• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L_Express_De_Madagascar
Image
Vaovao

Antananarivo : Mitokona indray ireo mpiasan’ny SMA, mitaky ny karamany volana jona

22/07/2024 15:45 © Moov

Mitobaka indray ny fakon’Antananarivo. Miverina mitokona indray manko ny mpiasan’ny Orinasa Monisipaly momba ny fanadiovana (SMA) etsy Ampasampito. Tsy hiasa izy ireo raha ny filazan’izy ireo mandra-piandry ny karamany volana jona indray.

Mpiasa miisa 700

Miombona ireo mpiasa rehetra ao anatin’izany fitakiana izany. Mpiasa miisa 700 eo ho eo no miaraka mitokona miandry izany karamany izany. Raha ny fanazavana avy amin’izy ireo dia efa tokony ny 26 jona hatramin’ny 8 jolay lasa teo izy ireo no nandray izany karama izany. « Raha ny tokony ho izy dia ny 26 jona izahay no mandray karama. Fara-fahatarany ny 8 jolay lasa teo saingy nangataka herinandro ny mpitantana kanefa hatramin’izao dia tsy mandray karama indray izahay », hoy ny Solontenan’ireo mpiasa nanazava. Amin’ny ankapobeny dia mbola manao fangatahana am-pitoniana aloha izy ireo amin’izao fotoana izao. Raha tsiahivina dia vao iray volana izay no nitokona ireto mpiasa ireto tamin’ity resaka karama ity ary izao olana miverina izao indray. Vahaolana maharitra no tadiavin’izy ireo ao anatin’izany mba hialana amin’ilay olana.

Hiafara amin’ny fitsaharan’ny asa

Amin’ny maha-olana miverimberina ity fandoavana ny karaman’ny mpiasa ity dia nametraka fepetra ireo mpiasa. « Mety hiafara amin’ny fitsaharana amin’ny asa mihitsy ity olana ity raha sanatria tsy voaloa mihitsy ny karama », hoy hatrany ny fanazavana. Efa nangataka fanazavana sy vahaolana tamin’ny mpiandraikitra rehetra ihany koa izy ireo. Voalaza tamin’izany fa tsy mbola nanome fe-potoana handoavana ny karama ireto farany ka hiandry izany ireo mpiasa. Miandry valiny mahafa-po araka izany izy ireo hahafahana manohy na tsia indray ny asa.

Mangataka amin’ny Fitondram-panjakana

Ankoatra io vahaolana tokony karohina manoloana izany fandoavana karama izany dia efa mikaroka vahaolana hafa ihany koa ireto mpiasa ireto. Anisan’ny voalazan’izy ireo tamin’izany ny vahaolana avy amin’ny Fitondram-panjakana. « Mamelom-bady aman-janaka ny ankamaroanay ka mila vola hiainana. Anisan’ny vahaolana ohatra ny hiverenanay ho SAMVA indray. Tamin’izany fotoana izany betsaka ny fidiram-bolan’ny orinasa, toy ny fanampiana iraisam-pirenena samihafa », hoy ny fanazavan’ireo mpiasa. Anisan’ny azo atao ihany koa hoy izy ireo hatarany ny hampidirana azy ireo ho mpiasa raikitra an’ny Kaominina na mpiasa raikitra an’ny Ministera. Mangataka ny handoavana ny zo rehetra amin’ny maha mpiasa azy ireo izy raha tsy mety ireo sosokevitra samihafa ireo

Lire la suite

Articles Similaires