• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Dépêche
Image
Vaovao

Tennis : Handray anjara amin’ny lalao Roland Garros ao Paris i Rakotomanga Rajaonah Tiantsoa Sarah

17/05/2024 18:19 © Moov

Nahazo ny fanasana manokana na ilay « wild card » avy amin’ny Federasiona Frantsay ny Tennis i Rakotomanga Rajaonah Tiantsoa Sarah. Hanomboka ny 20 may ho avy izao izany fifaninanana izany ary haharitra hatramin’ny 9 jona 2024.

Faha-563 WTA maneran-tany ny tenany

Ny zava-bitany sy ny laharana misy azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izay faha 563 amin’ny fanisana avy amin’ny Women's Tennis Association (WTA) maneran-tany no nahafahany manao ity lalao goavana ity ary indrindra nahafahany nahazo ity fanasana manokana ity. Voalohany ho azy amin’izao faha 18 taonany izao ny hanatrika ity lalao goavana ity. Marihina fa tafiditra ao anaty “Grand chelem” ny “Roland Garros” ary ahitana ireo mpilalao sangany, lahy sy vavy, manerana izao tontolo izao. Tsiahivina moa fa mipetraka any Frantsa i Tiantsoa ary mizaka ny zom-pirenena frantsay. 18 taona ny tovovavy ankehitriny. Tombony ho azy ity fandraisana anjara amin’ity lalao ity satria amin'ny tenisy, ny « wild card » dia fanomezan-dàlana miavaka omena ny mpilalao iray handray anjara amin'ny fifaninanana na dia tsy mahafeno ny fepetra mifantina iombonana aza izy. Araka izany dia fanararaotra ho azy izany hahafahany mampitombo ny traikefany.

Mpilalao zandriny indrindra

Anisan’ireo mpilalao zandriny indrindra mandray anjara amin’ity fihaonana ity i Tiantsoa ary tombiny ho azy anefa izany. Fotoana iray hifanandrinany amin’ireo kalazavavy, amin’ ity taranja tenisy ity io ary hahafahany mampitombo ny traikefany manokana. Miavaka ihany koa ny tanjon’i Tiantsoa Sarah. Ny handray anjara amin’ny lalao lehibe toa an'i Roland Garros sy Wimbledon no efa finiriany. Ny fahavononany sy ny faniriany efa hatry ny ela araka izany no entiny amin’ity lalao ity. Ireo toetra ireo dia tsy mamaritra ny maha hoe mpilalao fanatanjahantena mahay azy fotsiny fa ho aingam-panahy ho an'ny tanora mankafy fanatanjahan-tena maro. Ezaka avy amin’ny tenany sy tohana avy amin’ny fiaraha-monina sy ny tontolo manodidina azy anefa no nahavitany izany rehettra izany. Izany ihany koa no ilaian’ireo atleta eto Madagasikara hamiratany eo amin’ny sehatra misy azy.

Lire la suite

Articles Similaires