• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ci
Image
Vaovao

Fetin’ny pentekôty hieren-doza : Hanamafy ny filaminan’ny fifamoivoizana ny mpitandro filaminana

17/05/2024 17:51 © Moov

Fetin’ny pentekôty ieren-doza, izany no tanjon’ny mpitandro filaminana raha ho amin’ny fankalazana ity fety ho an’ny taona 2024. Nanatanteraka resadresaka tamin’ny mpanao gazety ny avy ao amin’ny foibe fitsarana fiarakodia na ny « Direction Générale de la Sécurité Routière DGSR » sy ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT), nanazavany ny paik’ady entiny indray mandritra izao fety izao. Hanomboka amin’ny faran’ny herinandro io izany,hatramin’ny alatsinain’ny pantekôty.

Ny fifanajana no lakile

Nanambara ny avy ao amin’ny ATT fa matetika dia ny tsy fifanajana no miteraka hatrany loza eny amin’ny lalana. Nandritra ity fotoana ity dia nanamafy ity sampana sady tompon’andraikitra voalohany ity fa ny fifanajana amin’ny samy mpampiasa lalana ihany no lakile hifampiarovana eny amin’ny lalana, na lalam-pirenena izany na lalana anaty tanan-dehibe. Tafiditra ao anatin’izany rehetra izany ny fifanajana eo amin’ny samy mpamily, na fiarakodia izany na kodiaran-droa na kodiaran-telo. Eo ihany koa ny fanajana ny mpandeha tongotra ary tsy kely ihany koa ny mahakasika ny fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Nohamafisina tao anatin’izany indrindra indrindra ny mpamily kodiaran-droa, tokony samy hanana izay eritreritra izay avokoa ny rehetra mba hahatrarana ny tanjona. Izany hoe mba hampihenana araka izay tratra ny loza sy ny mety ho fahaverezana aina.

Mila fahazoan-dalana

Anisan’ny fotoana iray safidian’ny fianakaviana hivoahana kely ny toerana misy azy ny fetin’ny pantekôty toy izao. Nanamafy hatrany ny avy ao amin’ny ATT fa tsy maintsy maka ilay fahazoan-dalana manokana (autorisation spéciale) eny anivon’ny sampan-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) ny fiara izay mieritreritra ny hivoaka ny faritra mahazatra azy. « Ny tena mety dia aleo mijery ireo mpamily sy fiara efa zatra ny lalana tiana haleha mba hiarovana ny tsirairay », hoy ny hevitry ny avy ao amin’ny ATT.
Etsy andaniny dia mitohy hatrany ny fijerevana ny tahan’ny alikaola amin’ny vatan’ny mpamily isaky ny faran’ny herinandro. Hamafisina izany amin’ity fety ity ary mihatra avy hatrany ny sazy ho an’ireo izay tratra. Marihina fa miara-misalahy amin’izany adidy izany ny mpitandro filaminana isan-tokony mandritra io fety io.

Lire la suite

Articles Similaires