• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Remapsen Mada
Image
Vaovao

Distrikan’Atsimondrano : 78%-n’ny ankizy no vita vaksiny miady amin’ny lefakozatra

17/05/2024 12:52 © Moov.Mg

Mifarana androany ny hetsika fanaovam-baksiny miady amin’ny lefakozatra voalohany, ho an’ity taona 2024 ity, rehefa nanomboka ny talata 14 mey lasa teo. Nisy hetsika notontosaina teny amin’ny EPP Tanjombato, ho an’ity andro farany ity.

Mitety toerana maro

Tsy eny amin’ny tobim-pahasalamana ihany no anatanterahana ny hetsika fanaovam-baksiny miaro amin’ny lefakozatra toy izao, fa mitety ny toerana rehetra mety ahitana ankizy latsaky ny 15 taona ireo tomponandraikitra. Tafiditra ao anatin’izany ireo sekoly, ny tsena, sy ny eny anivon’ny Fokontany. Manohana izao hetsika izao ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Tahirin’ny firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF). Tao anatin’izay 4 andro nanatontosana ny hetsika izay, hatramin’ny androany maraina, dia ny 78%-n’ny zaza latsaky ny 15 taona no vita vaksiny fanefitry ny lefakozatra, ao amin'ny Distrikan'Atsimondrano Faritra Analamanga, araka ny antontan’isa nomen’ny Dr Randriamandimby Harinirina Tiana, « medecin inspecteur » ho an’Antananarivo Atsimondrano.

Averimberina

Tsy ifanerena ny fanaovam-baksiny ao anatin’ny hetsika faobe tahaka izao, araka ny nambaran’ny Dr Randriamandimby Harinirina Tiana, saingy entanina kosa ny hanaovana izany, mba ho tombotsoan’ny ankizy. Ny fanatanterahana hetsika eny anivon’ny sekoly toy izao, araka ny fanazavany hatrany, dia ialohavan’ny fifampiresahana amin’ny tomponandraikitry ny sekoly sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra, mba ho fangatahana alalana sy fiaraha-miasa. Ankoatra izay dia ilaina ny famerimberenana ny hetsika, mba hanamafisana ny hery fiarovana. Andiany voalohany amin’ny hetsika fanaovam-baksiny faobe hiadiana amin’ny lefakozatra moa ity tontosa androany ity, ho an’ny taona 2024, fa mbola hisy ny andiany manaraka, izay mety ho afaka iray volana no hanatanterahana azy.

Lire la suite

Articles Similaires