• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 18 hatramin'ny 24 marsa 2024

25/03/2024 07:23 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao tamin'ny herinandro lasa teo, dia ny 18 hatramin'ny 24 marsa 2024

Lalao Afrikana # Laharana faha-15 i Madagasikara

Eo amin'ny laharana faha-15 no misy an'i Madagasikara tamin'ny Lalao Afikanina faha-13 izay notontosaina tany Accra (Ghana) ny 8 hatramin'ny 23 marsa lasa teo. 15 no totalin'ny medaly azon'ireo mpifaninana Malagasy, ka 4 volamena, 4 volafotsy ary 7 alimo. Niisa 24 moa ireo firenena Afrikana mpandray anjara.
I Egypta no nibata ny amboara, noho ireo medaly mitontaly 187 azony : 88 volamena, 46 volafotsy ary 42 alimo. I Nigéria no laharana faharoa (medaly volamena 47) ary i Afrika Atsimo no laharana fahatelo (Medaly volamena 32).

Barea # Nibata fandresena nanoloana an'i Burundi

Fifaliana tokoa no nandraisan'ny Malagasy mpitia baolina kitra ny voka-dalao tamin'ny zoma lasa teo. Resin'ny Barea tamin'ny isa 1-0 mantsy ny mpilalaon'i Burundi. Ryan Raveloson no nampiditra ny baolina tamin'ny fizaram-potoana voalohany.
Tsy tapitra hatreo moa ny lalao ara-pirahalahiana (Fenêtre FIFA) satria mbola hitohy ny ady. Misy lalao hifanandrinana amin'i Rwanda indray androany 25 marsa, amin'ny 4 ora hariva. Misy fivarotana karatra fidirana androany eo amin'ny zaridaina Anosy.

20 marsa # Andro maneran-tany ho an'ny poezia sy ny angano

Teny amin'ny efitrano HAVORIA Anosy no nanatanterahana ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an'ny poezia sy ny angano, nokarakarain'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina. Efa misy moa ny hetsika "Ndao hamaky boky" mitety vohitra sy sekoly sy amin’ny alalan’ny fanomezana sehatra ahafahana mampiofana mpitantara angano. Isaky ny alarobia hariva dia hisy ny fandaharana fitantarana angano hiverina ho renesina ao amin’ny Radio Madagasikara (99.2). " N𝘺 𝘢𝘯𝘨𝘢𝘯𝘰 𝘯𝘰 𝘴𝘦𝘬𝘰𝘭𝘺 𝘯𝘪𝘵𝘢𝘪𝘻𝘢𝘯'𝘯𝘺 𝘯𝘵𝘢𝘰𝘭𝘰 𝘯𝘺 𝘻𝘢𝘯𝘢𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘭𝘰𝘩𝘢, 𝘬𝘢 𝘵𝘰𝘬𝘰𝘯𝘺 𝘩𝘰𝘮𝘦𝘯𝘢 𝘭𝘢𝘯𝘫𝘢 𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘯𝘺", hoy Arikaomisa Randria, nisolo tena ireo mpanakanto mpisehatra amin'ny angano sy ny poezia.

21 marsa # Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala

Teny Imerintsiatosika, Tàna-Masoandro, no nanaovana ny fanamarihana ny “Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala”. Nandritra izany fotoana izany no nanatanterahana fikolokoloana ireo hazo nambolena tamin'ny volana janoary lasa teo. Natolotra ihany koa ny "Drône Mapping" miisa 4 avy amin’ny Tetikasa MIONJO izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena. Manampy betsaka amin’ny fahazahoana ny saritany sy ny antontan’isa mahakasika ny fambolen-kazo kirakiraina ao amin’ny « système d’information pour le reboisement » ireo drones ireo, sady entina anamafisana ny fanaraha-maso ny doro tanety sy ny doro ala ihany koa.

29 marsa # Fanombohana ny fahatsiarovana

Ny zoma 22 marsa lasa teo no nanokafana tamim-pomba ôfisialy ny fotoam-pahatsiarovana ny datin'ny 29 marsa 1947, hanamarihana ny tolom-panafahana nataon'ireo mahery fo. Ny Filohan'ny Antenimieran-doholona, ny Jeneraly Ravalomanana Richard no nanokatra ny hetsika tamin’izany. Izany hetsi-pahatsiarovana 2024 ity moa dia miompana amin’ny lohahevitra hoe "Tolom-panafahana, ny fitiavan-tanindrazana no fototry ny fampandrosoana”.
Hisy ny lanonana ofisialy ny andron'ny 29 marsa eny amin’ny fasan'ny maherifo Mausolée Avaratr'Ambohitsaina sy any Moramanga.

CUA # Fivoriana tsy ara-potoanan'ny Mpanolotsaina

Ny 20 hatramin'ny 22 marsa teo no nanatanteraha ny fivoriana tsy ara-potoan'ny Mpanolotsain'ny tanàna eto amin'ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Teboka maromaro no tafiditra ao anatin'ny laha-dinika amin'izany ka isan'ireo ny fanitsiana rindran-damina na "organigramme" izay mila ahitsy vokatry ny fiovan'ny rafitra misy dia ny fametrahana Filohan'ny delegasiona manokana (PDS) lefitra miisa 02. Ankoatra izay dia hodinihina ihany koa ny amin'ny fanovana na fanakambananana na koa fanafoanana ireo fitaleavana sasantsasany misy eto anivon'ny Kaominina.

CUA # Fanamboaran-dalana

Miroso tsikelikely mankany amin'ny fanamboarana ireo lalana eto amin'ny Kaominina Antananarivo renivohitra (KAR) ny fiadidian'ny tanàna amin'ny alalan'ny Fitaleavan'ny Taotrano sy ny Asa vaventy (DBTP). Isan'ireo lalana efa nasiam-panamboarana izao ny teny Ambohijatovo, manoloana ny tsangambato 29 marsa. Nisy ihany koa ny fanamboarana ireo fotodrafitr'asa ifamezivezen'ny mponina andavan'andro ihany koa ny eto anivon'ny Kaominina toy ireo tetezana fiampitana ka isan'izany ny tetsy amin'ny 67 ha, manoloana ny paositra, sy ny teny amin'ny tsenan'Andravoahangy. Hitohy hatrany moa ny asa fanamboarana mba hitsinjovana ny mponina eto an-drenivohitra.

Oniversiten'Antananarivo # Tobin'ny Mpamonjy Voina

Napetraka ao amin'ny faritrin'ny Anjerimanontolo, eny Ankatso, ny Toby vaovaon'ny sampana mpamonjy voina eo anivon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Ny eny amin'ny faritry ny Oniversité sy ny Boriborintany Faharoa manontolo no mahazo tombony. Ho haingana kokoa ny fidirana an-tsehatry ny mpamonjy voina raha misy loza eny amin'ny manodidina. Izany dia tafiditra tanteraka ao anatin'ny fanatsarana ny tolotra ho an'ny vahoaka amin'ny alalan'ny famonjena voina sy ady amin'ny firehetana. Ahitana Mpamonjy voina miisa 31, manana fiara lehibe famonjena voina sy fiara fitanterana marary iray ity tobin'ny mpamonjy voina vaovao ity.

Chine & Australie # Nanendry masoivoho vaovao eto Madagasikara

Ny 20 marsa lasa teo no nandraisan'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny masoivoho vaovao miisa 2, teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha. Nanolotra ny taratasy manendry azy avy, Ramatoa Kate CHAMLEY, masoivohon'i Australie sy Andriamatoa Ji PING, masoivohon'ny Repoblika entim-bahoakan'i Sina. Samy honina eto Madagasikara izy ireo mandritra ny fotoam-piasany avy. Samy naneho ny faniriany ny hampiroborobo ny fiaraha-miasa amin'i Madagasikara ireo firenena roa ireo.

Mahitsy # Milina fanodinana voatabia

Mitohy hatrany ny ezaky ny Ministeran’ny Indostria sy ny Fampiroboroboana ny varotra amin’ny fampitaovana ny isaky ny distrika, ao anatin’ny tetikasa ODOF. Ny tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Mahitsy, Distrikan’Ambohidratrimo, no nahazo milina fanodinana voatabia, ny 22 marsa lasa teo. Velom-bolo ireo tantsaha mpamboly voatabia satria tsy voatery ho amidy amin’ny vidiny morabe intsony ny vokatra noho ny tahotra ny hahasimba izany. Ny ketchup moa no tena amboarina amin’izany milina vaovao izany. Mahavita manodina voatabia 100 kilao isan’ora ny milina.

Mananjary # Fanolanana nataon'ankizilahy 11 taona

Zazalahy vao 11 taona no nosamborin'ny Polisy tao Mananjary ny 20 marsa 2024 teo rehefa nanolana zazavavy 08 taona. Tao amin'ny Fokontany Maromitety , Kaominina Ambanivohitra Marofototra, no nitrangan'ilay fanolanana.
Nametraka fitarainana teny anivon'ny Polisimpirenena ao an-toerana ny renin'ilay zaza fa nisy nanolana ny zanany vavy. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny Polisy ary fantatra fa zazalahy mpiray tanana amin'izy ireo ihany no tompon'antoka tamin'ny fanolanana. Nosamborina io zazalahy 11 taona io ka eo am-piandrasana ny fitsarana azy dia arahimaso izy.

Antsirabe # Fampiofanana mikasika ny "métiers du web"

Ny zoma 22 marsa lasa teo no nanomboka ny fiofanana mikasika ny "métiers du web" ireo tanora nahavita fianarana ambony tao Antsirabe, ary maharitra herinandro. Ireo liana amin'ny "freelance" na asa tena moa no tena mahazo tombony amin'izany. Efa maro tokoa mantsy ireo tolotr'asa an'habaka izay hahafahana miasa any an-trano (raha misy connexion internet) na eny anivon'ireny Cyber-café ireny. 200 no isan'ny mpiofana noraisina ka nisy ny sivana notontosaina ny 20 sy 21 marsa.
Mitohy hatrany ny fampiofanana arak'asa maimaimpoana tontosain'ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fampiofanana Arak'Asa, ka faritra 3 izay no efa nisitraka fampiofanana momba ny "métiers du web" dia Antananarivo, Toamasina ary Antsirabe.

Russie # Manameloka ny asa fampihorohoroana i Madagasikara

Manameloka tanteraka ny asa fampihorohoroana nitranga tany Moscou renivohitra rosiana ka namoizana ain'olona maro ny fanjakana malagasy. Manoloana izany herisetra miharo vono olona miendrika fanitsakitsahana ny zon'olombelona izany dia manamafy ny fiaraha-mientana amin'ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin'ny ady amin'ny fampihorohorona sy ho amin'ny fampanjakana ny fandriam-pahalemana manerantany ny fitondrana malagasy. Nanoratra taratasy mikasika izany ny Ministeran'ny raharaham-bahiny mba ho fankaherezana ho an'ny Filoha rosiana,ny vahoaka rosiana ary ireo fianakavian'ny niharam-boina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo