• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Fiarovam-Pirenena
Image
Vaovao

Fahatsiarovana ny 29 martsa 1947 : Miantso fitoniana sy fandriampahalemana ny foloalindahy

23/03/2023 11:18 © Midi Madagasikara

Andro lehibe tsy hay hadinoina amin’ny tantaram-pirenena malgasy ny andron’ny 29 martsa 1947. Izany indrindra no antony nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fampirantiana ireo tantara sy sary mirakitra ny tolom-panafahana nataon’ireo maherifon’ny tanindrazana izay notanterahina etsy amin’ny zaridainan’Anosy, omaly alarobia.

Nitarika izany teny an-toerana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotoarijaona Josoa izay nanokatra sy nanome voninahitra ity hetsika ity. Nandritra ny fandraisam-pitenenany no nanambarany fa matoa misy ary atao isan-taona izao hetsim-pahatsiarovana izao dia nohon’ny Fitiavana ny tanindrazana izay resahintsika ombieny ombieny, hoy izy.

Nambarany ary fa vaindohan-draharaharan’ny Fitondrana ankehitriny ny famerenenana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ho antoky ny fampandrosoana. Miara-mientana amin’izany ny miaramila, ny zandary, ny polisy ary ny tomponandraikitra rehetra na olomboafidy io na olomboatendry ka hanentanana ny vahoaka Malagasy manontolo hifanome tanana satria tanindrazana iombonana no resahina eto. Izany, hoy izy, dia ny mba hanomezana voninahitra ireo zoky raimandrenintsika niady sy nahafoy ny ainy mba hiverenan’ny fahaleovan-tenan’ity firenena ity. Izany fanomezam-boninahitra izany dia aseho amin’ny fanohizana ny asa nataon’ireo mpitolona ireo ka hoporofoina izany amin’ny alalan’ny ady amin’ny sakana amin’ny fampandrosoana sy ny fijoroana ho modely amin’ny hatsaram-pitondratena, ny fahalavorarian’ny asa atao ka ho falain-tahaka ho an’ny taranaka aoriana.

Taom-pifidianana

Tsy nohadinoin’ny minisitra ny nilaza fa miavaka tokoa ity taona ity ho an’ny Firenena satria hiatrehana ny fifidianana ny filoham-pirenena. Mila hamafisina tanteraka ny fandriampahalemana hiatrehana izany, na mialoha, na mandritra , na aoriana ny fifidianana. Noho izany dia nanentana ny tsirairay izy mba haneho firaisankina sy fahendrena, ary fifampitokisana eo amin’ny samy mpiray firenena satria ny vahoaka Malagasy dia mahalala ny fihavanana, tsy mifamadika ary manaja ny lalàna velona eto amin’ny tanin’ny Repoblika Malagasy. Ny foloalindahy, hoy iz, dia manome toky fa manao ny ainy tsy ho zavatra hampitombo sy hanatsara ny ezaka mba hisian’ny fitoniana sy ny fandriampahalemana maharitra eto amin’ny firenena. Izany no atao dia tsy hoan’ny vanim-potoanan’ny fifidianana fotsiny fa ho amin’ny fotoana rehetra.

T.M.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo