• Cours de change
  • 4681.81 AR
  • |
  • $4417.52 AR
Copyright Image : © _
Image
Vaovao

Anjanahary : Ila-tongotra hita teo akaikin’ny fivarotana

22/03/2023 08:25 © Midi Madagasikara

Nivarahotsana izay nahita omaly maraina. Tongotra havanana ilany fotsiny. Hatreo amin’ny ranjo noho ny midina.

Izay no hitan’ny mpatsaka rano vao maraina tetsy anoloan’ny trano fivarotana iray tetsy Anjanahary. Vetivety dia nitangorona ny olona izay liana ny hahafantatrana ny zava-misy. Tsy nisy valim-panontaniana anefa satria samy tsy nahita olona maty teo amin’ny manodidina na koa naratra mafy. Nantsoina ny polisy miasa eo anivon’ny “poste avancé” ary nanao ny fijerena ifotony sy niezaka nanontany ny manodidina izy ireo mba hanaovana tatitra sy hanokafana fanadihadiana. Hatreto, raha ny filazan’ny manodidina dia mety ho tongotra avy ao amin’ny fasan’Anjanahary no noviravirain’ny alika. Toe-javatra izay tsy voalohany rahateo, hoy ny vinavinan’izy ireo, io nitranga io. Betsaka mantsy ny razana izay alevina ao ambany tany fotsiny ary tsy lalorona simenitra ny fasana misy azy. Ireny razana tsy misy mpaka eny amin’ny tranom-paty ireny ohatra na koa ireo izay tsy manana havana dia alevina ao amin’ny fasam-bahiny. Matetika ny biby izay entin’ny fofona no mangarona ny tany ary mandavaka ny tany ka maka ny nofon’ireo razana. Etsy andanin’izany koa anefa, mety azo heverina fa olona izay notapahina tongotra noho ny antony ara-pahasalamana izy io. Raha izay dia nariarian’ny havany teny an-dàlana teny fotsiny izany ilay ratsan’olombelona ary dia nentin’ny alika tao amin’ny toerana milamindamina. Na izany aza anefa, nandritry ny fizahana nataon’ny mpitandro ny filaminana dia voamarina fa tsy misy dian-kaikitra na ny kely aza ilay ila-tongotra hita. Tsiravina ny olona mandram-panalàna ilay zavatra teo an-toerana ary dia iny koa no namelona ny resa-be teo amin’ny manodidina nony avy eo. Raha toa ka avy ao amin’ny fasam-bahiny io ratsam-batana io no nivoaka, angamba mba tokony heverina amin’izay ny handalorana isaky ny mandevina. Ny tena vahaolana dia ny fandorana saingy tsy mbola ao anaty fomba loatra no koa mila enti-manana, kanefa ireo razana aza tsy misy fianakaviana hita matetika ary izay no handevenana azy faran’izay tsotra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo