• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Men
Image
Vaovao

Fanabeazana : Hisitraka fanampiana avokoa ireo mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina rehetra

03/07/2026 14:39 © Moov

Ho fisaorana sy fanohanana ireo mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina manerana ny Nosy dia hisy ny fizarana lela-vola 50 000 ariary tsirairay, ho azy ireo. Natomboka androany, 3 jolay, teto amin’ny faritra Analamanga izany.

Mpampianatra miisa 35 872 no mpisitraka

Ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Rajaonarison Sendra Nirina no nanokatra ny lanonana, niaraka tamin’ny Tale misahana ny sekoly tsy miankina sy ny solontenan'ny DREN Analamanga. Nomarihina nandritra izany fa samy hisitraka ity fanampiana ara-bola ity, avokoa, ny mpampianatra rehetra ka miisa 35 872 izy ireo. Raha ny fanazavana, avy amin’ny Tomponandrakitry ny sekoly tsy miankina dia nitombo io isa io, tamin’ity taona ity. Handray ny fanampiana ho an’ny taona 2025 moa ireo mpampianatra ireo, raha ny fanazavana satria dia ny taona 2024, no nisy fanolorana tohana farany, ho azy. Avy amin’ny sekoly tsy miankina miisa 5 744, manerana ny faritra 23, izy ireo.
Raha ho an’ny faritra Analamanga, manokana, izay nanombohana ny fizarana dia miisa 15 014 ireo mpisitraka ity fanampiana ara-bola, mitentina 50 000 ariary ity. Hitohy any amin’ny faritra rehetra, moa, ny fizarana aorian’ity fanombohana ity.

Vola mitentina 1 793 600 000 ariary

Isan-taona dia tokony handray ity tohana ity, avokoa, ireo mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina. Lelavola mitentina 1 793 600 000 ariary no ho tsinjaraina amin’ireo mpampianatra, ho amin’izay taona 2025 izay. Nohamafisina fa ireo mpampianatra manana ny fahazoan-dalana hampianatra (Certificat d’autorisation d’enseigner CAE) ihany no afaka misitraka azy io. Ho hentitra ihany koa ny fanaraha-maso sy fanombanana ny fitantanana ny fanampiana mba hiantohana ny fahombiazan'ny fandaharanasa.
Etsy ankilany, mba hahafahan’ireo mpanabe ireo mahazo fanampiana dia tsy maintsy misoratra anarana eny anivon’ny CISCO, izy ireo. Hifarana amin’ny 31 jolay izao, izany fisoratana anarana hahafahana misitraka tohana, ho an’ny taona 2026 izany.

Lire la suite

Articles Similaires