• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministère De La Justice
Image
Vaovao

Ady amin’ny mpox : fonja dimy eto Madagasikara notoloran’ny H.I fanafody mitentina 7,7 tapitrisa Ariary

19/05/2026 09:41 © Moov.Mg

Nanolotra karazam-panafody hiadiana amin’ny aretina mpox ho an’ny fonja dimy eto Madagasikara ny fikambanana Humanité & Inclusion (H.I), ho fanamafisana ny fiarovana ara-pahasalamana eny anivon’ny tontolon’ny fonja. Mitentina 7.702.000 Ariary ireo fanafody natolotra, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Mafonja”.

Fisorohana sy fiatrehana ny areti-mifindra

Tao amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana no nanatanterahana ny lanonana fanolorana tohana ho an’ireo fonja maromaro eto Madagasikara, omaly 18 mey 2026. Nandray izany fanomezana izany, avy amin’ny talen’ny Fandaharanasan’ny Humanité & Inclusion Ratsiferana Fanjanirina, ny tale jeneralin’ny Fandraharaharana ny Fonja, Rasamoelina Herinirina Roger, niaraka tamin’ny talen’ny Mahaolona sy ny Fanomanana ny Fiverenan’ny Voafonja eny anivon’ny fiarahamonina, Ranoromanampisoa Hanitrininosy.

Fonja miisa dimy manerana an’i Madagasikara no hisitraka izany fanampiana izany, dia ny fonjan’Antanimora, Anosiala, Antsiranana, Mahajanga ary Atsimo Andrefana. Araka ny fanazavana nomen’ny tomponandraikitra, natao indrindra hanampiana amin’ny fisorohana sy fiatrehana ny mety ho fihanaky ny aretina mpox eny anivon’ny fonja ireo fitaovam-pitsaboana sy fanafody natolotra. Fantatra mantsy fa isan’ireo toerana mora iparitahan’ireo karazana areti-mifindra ny fonja, noho ny fifanakaikezan’ny olona sy ny fahasarotan’ny fepetra ara-pahasalamana iainan’ireo voafonja. Noho izany, heverina ho dingana iray lehibe amin’ny fiarovana ny fahasalaman’ireo voafonja sy ny mpandraharaha eny anivon’ny fonja izao fanampiana izao.

Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Mafonja”

Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Mafonja” ity hetsika ity, izay iarahan’ny H.I manatanteraka amin’ny fikambanana Grandir Dignement, ary tohanan’ny Agence Française de Développement (AFD). Mikendry ny hanatsara ny tontolon’ny fonja eto Madagasikara io fandaharanasa io, indrindra eo amin’ny lafiny sosialy sy ara-pahasalamana. Ankoatra ny ady amin’ny aretina, tanjon’ny tetikasa ihany koa ny hanome lanja ny mahaolona sy hanampy amin’ny fanomanana ny fiverenan’ireo voafonja eny anivon’ny fiarahamonina, rehefa tapitra ny saziny.

Ankoatra ny fanafody dia nisy ihany koa ny fanomezana karatra ho an’ny finday (crédit prépayé), ho fanohanana ny serasera eo amin’ireo ankizy tsy ampy taona manana olana amin’ny lalàna sy ny ray aman-dreniny. Mitentina 1.500.000 Ariary izany karatra izany, izay vokatry ny tohana avy amin’ny “Union Européenne” ao anatin’ny tetikasa tanterahin’ny Grandir Dignement.

Lire la suite

Articles Similaires