Tsy fitovian’ny filàna ara-nofo eo amin’ny mpivady : inona no atao ?
Toe-javatra fahita eo amin’ny mpivady maro ny tsy fitovian’ny filàna ara-nofo. Izany hoe ny andaniny mazoto miray ara-nofo matetika nefa ny ankilany mifanohitra amin’izany. Mety hiteraka olana eo amin’ny fanambadiana nefa izany rehefa ela ny ela. Ireto ary misy torohevitra manampy mba handanjalanjana ny tsy fitovian’ny filàna ara-nofo eo amin’ny mpivady.
Fifampiresahana ankalalahana
Ny fifampiresahana ankalalahana no isan’ny vahaolana voalohany manampy handajalanjana ny tsy fitovian’ny filàna ara-nofo eo amin’ny mpivady. Resahana ny vady ny filan’ny tena, ny faniriana sy ireo zavatra mampiasa ny saina. Amporisihina ihany koa izy anao toy izay. Mifampihaino tsara ny andaniny sy ny ankilany, tsy mifanakiana ary tsy mifampitsara.
Fantarina ireo anton’ny tsy fitovian’ny filàna ara-nofo eo amin’ny mpivady
Zavatra voajanahary ny filàna ara-nofo eo amin’ny olombelona. Raha lasa mitombo be loatra na koa lasa mihena loatra izy io dia mety hiteraka olana eo amin’ny mpivady. Mila fantarina arak’izany ireo antony mety mahatonga io fiovana io. Ny havizanana, ny rarintsaina, ny olana ara-pahasalamana, ny fikorontanan’ny hormonina, ny disadisa eo amin’ny mpivady, ny « routine »… dia isan’ireo anton-javatra samihafa mety hisy fiantraikany eo amin’ny filàna ara-nofo. Rehefa voafaritra izany antony izany dia miezaka mikaroka vahaolana miaraka hamahana izany.
Mikaroka fomba samihafa hanatsarana ny fiarahan’ny mpivady
Manampy betsaka hamahana ny olana vokatry ny tsy fitovian’ny filàna ara-nofo eo amin’ny mpivady ny fikarohana ireo fomba hanatsarana ny fiarahana. Atomboka amin’ny fanamafisana ny fifankatiavana amin’ny fampiarahana, fifanomezana teny mamy, fifanohanana… izany. Tohizana amin’ny tambitamby, safosafo, oroka, otra sy fifampikasohana ara-batana ivelan’ny firaisana ara-nofo. Tsy azo terena tokoa mantsy ny filàna ara-nofo fa mila ambolena sy tondrahana amin’ny fihetsika samihafa mba hampifoha azy indray.
Manantona matihanina raha ilaina
Rehefa natao avokoa ireo hevitra manampy mba hamahana ny olana vokatry ny tsy fitovian’ny filàna ara-nofo eo amin’ny mpivady nefa tsy nety dia tsara ny manantona matihanina. Azo atao ohatra ny manao ireny « thérapie de couple » na manantona « sexologue » mba ahazoana ny fanampiana hanatsarana ny fiainana ara-nofo eo amin’ny mpivady. Marihana fa samy tsy ara-dalàna avokoa na ny falainana miray ara-nofo na ny fitiavana miray ara-nofo be loatra.