• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Numedia.Fr
Image
Sexualité & Mariage

Torohevitra manamafy orina sy mampaharitra ny fanambadiana

07/02/2024 10:46 © Moov.Mg

Tsikaritra fa maro ankehitriny ny mpivady misaraka raha oharina tamin’ny andro taloha. Maro no milaza fa ny fandrosoana sy ny fanatotoloana no manimba ny sain’ny olona sy mamotika ny tokantrano. Ny marina nefa dia misy ireo zavatra tsotra mila tandremana mba ahamafy orina sy hampaharitra ny fanambadiana. Araho ange e !

Manao ny ezaka rehetra ampilamina ny fanambadiana

Matoa ny fanambadiana iray mafy orina dia satria samy mahafantatra ny mpivady fa mila ezaka ny fikolokoloana sy ny fitantanana ny tokantrano. Mila mitrandraka hatrany ny fomba atao hampitoetra ny fitiavana sy ny fiadanana ao anatin’ny fanambadiana. Maro moa ny ezaka atao ahatongavana amin’izany, anisan’izany ny fifampihainoana, ny fifandeferana, ny fanehoana ny fitiavana isan’andro amin’ny alalan’ny fiteny sy ny fihetsika.

Fadiana ny manala baraka ny vady eo imason’olona

Isan’ireo zavatra manapotika ny fitiavana ary mety handrava ny fanambadiana ny fanalana baraka ny vady, indrindra eo imason’olona. Manana zo tsy hitovy hevitra, ho tezitra na halahelo amin’ny zavatra iray ataon’ny vady. Tandremana tsara kosa nefa ny teny na ny fomba hanehoana izany. Marary ary mety hiteraka ratram-po eo amin’ny vady ny fanalana baraka azy na ny fanaovana tsinontsinona azy, indrindra moa eo imason’olona.

Tsy azo atao ny mampitaha ny fanambadiana amin’ny an’ny hafa

Mba ampaharitra ny fanambadiana mila fadiana ny mampitaha ny tokantrano amin’ny an’ny hafa. Mila atao an-tsaina hatrany fa samy manana ny fiainany sy ny zavatra iainany ny mpivady rehetra. Samihafa ny fahasoavana sy ny sedra lalovan’ny tokantrano tsirairay. Ny fanambadiana mafy orina dia mifantoka amin’ny fiainany manokana ary tsy mitsiriritra ny hafa.

Tsy manameloka lava ny vady amin’ny fahalemeny

Maharitra ny fanambadiana iray rehefa mahay mamantatra sy manaiky ny fahalemen’ny vadiny ny mpivady tsirairay. Tsaroana hatrany fa tsy misy ny olona tonga lafatra ary samy manana ny toetra tsara sy toetra ratsiny ny tsirairay. Rehefa fantatra ny fahalemen’ny vady dia tsy enjehina amin’izany foana izy. Tandremana kosa nefa mba ho toetra ratsy tsy manapoizina na misy fiantraikany ratsy amin’ny tokantrano izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo