• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Carteland_Mug
Image
Sexualité & Mariage

Fetin’ny reny : Ireo fanomezana tsara nefa tsy lafo ho an’ny reny

30/05/2023 10:01 © Moov.Mg

Efa manakaiky ny fetin’ny reny ka samy efa mieritreritra izay fanomezana atolotra ho an’ny renim-pianakaviana avokoa na ny vady na ny zanaka. Amin’izao fiainana efa lafo izao moa dia tsara ny mampatsiahy fa tsy voatery ny zavatra lafo vidy ihany no atao hoe tsara. Maro tokoa ankehitriny ireo fanomezana tsara nefa tsy lafo afaka mambabo ny fon’ny reny.

Ny « articles personnalisés » fanomezana tsara nefa tsy lafo ho an’i Neny

Fanomezana efa tsy zoviana amin’ny maro intsony ny « articles personnalisés ». Izany moa no fiantsoana ireny kaopy, akanjo sy ireo zavatra samihafa izay asiana soratrana sary manokana safidian’ny mpividy. Izany hoe, manantona ilay mpivarotra dia lazaina aminy ny teny kely na ny kisary tiana apetraka eo amin’ilay zavatra nosafidiana ho atao fanomezana. Azo atao tsara ny manome sary ilay mpivarotra ary iny sary iny no apetraka eo amin’ilay fanomezana, toy ny kaopy, fonona coussin, sns. Fanomezana tsara nefa tsy lafo ho an’i Neny izay mora mambabo ny fony tokoa ny « articles personnalisés ».

Ny akanjo, kiraro na poketra fanomezana mahafaly an’i Neny

Fanomezana tsara nefa tsy lafo ankafizin’ny renim-pianakaviana hatramin’izay ny akanjo, kiraro na ny poketra. Faly tokoa ny reny rehefa fanomezana natokana ho azy manokana no atolotra azy. Mila fantarina tsara kosa nefa ny zavatra ankafiziny mba hanomezana fahafam-po azy. Noho izany, ezahina jerena avokoa ireo zava-dehibe mampiavaka ilay fanomezana safidiana : ny habeny, ny lokony, ny paoziny… Efa maro ankehitriny ireo toeram-pivarotana ahitana karazana fitafy, poketra sy kiraro tsara kalitao ary amin’ny vidiny mirary.

Ranomanitra sy kojakoja fikarakarana tarehy

Anisan’ny fanomezana ankafizin’ireo renim-pianakaviana tia mikarakara vatana sy jejojejo ihany koa ny ranomanitra sy ireo kojakoja fikarakarana tarehy isan-karazany. Azo atao tokoa ankehitriny ny mividy irony ranomanitra tsara kalitao irony aminy vidiny takatry ny be sy ny maro. Efa misy tokoa mantsy ireo modely amin’ny tavoahangy kely izay mora kokoa ny vidiny. Toy izany ihany koa ireo « produits » fikarakarana ny tarehy sy ny hoditra ary ireo karazana « maquillages » izay efa azo jifaina amin’ny fivarotana maro. Tandremana tsara kosa nefa tsy hividy ireo entana eny amin’ny sisin-dalana fa mba amin’ny fivarotana azo antoka satria saro-pady ny hoditra sy ny tarehy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo