• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Thrive-Penn State
Image
Sexualité & Mariage

Fahafatesana tampoka amin’ny zazakely : inona avy ny fomba azo isorohana izany ?

25/04/2023 17:11 © Moov.Mg

Antsoina amin’ny teny vahiny hoe « Mort Subite du Nourrisson », ny fahafatesana tampoka amin’ny zazakely dia tranga iray efa fahita ary efa nisy hatry ny ela. Mbola sarotra amin’ireo mpitsabo mpikaroka ny manazava io tranga io nefa dia mahakasika zaza maro maneran-tany izany. Fa inona tokoa izany fahafetesana tampoka amin’ny zazakely izany ary inona no fisorohana azo atao ?

Inona no atao hoe fahafatesana tampoka amin’ny zazakely ?

Arak’izany fiantsoana azy izany dia fahafatesana tsy ampoizina eo amin’ny zaza no atao hoe fahafatesana tampoka amin’ny zazakely. Izany hoe zazakely salama tsara, tsy nisy nahiana teo amin’ny lafiny ara-pahasalamana nefa dia maty tampoka. Ny zazakely manodidina ny iray volana sy ny erin-taona no tena voakasik’ity tranga ity. Mahazana dia ao anaty torimasony ilay zaza no matory tsy mifoha. Matetika moa dia tsy fantatra eo no eo ny antony mahatonga ilay fahafatesana tampoka eo amin’ny zazakely.

Tsy voatery ho fantratra mazava ny anton’ilay fahafatesana, eny na ao aorian’ny fizahana ny razana (autopsie) aza. Misy kosa anefa ireo antony samihafa voalaza fa mety mitarika izany fahafatesana tampoka amin’ny zazakely izany. Anisan’izany ny fahasemporana, ny fahakendana sy ny aretina. Mila fitandremana sy fahamailona tsara noho izany ny fitaizana zazakely. Indraindray tokoa mantsy dia mety avy amin’ny tandrevaka ataon’ny ray aman-dreny no mahatonga ny loza.

Ireo fitandremana atao mba hisorohana ny fahafatesana tampoka amin’ny zazakely

Mbola marefo ary mbola tsy hary tsara ny vatana sy ny taovan’ny ankizy latsaky ny erin-taona. Izany indrindra no ilàna fitandremana bebe kokoa amin’ny fitaizana azy. Mba hisorohana ny loza sy ny fahafatesana tampoka amin’ny zazakely dia :

Fidiana tsara ny fandriana fatorian’ny zazakely

Anisan’ny antony iray mampidi-doza ny zazakely ny kalitao ny fandriana fatoriana. Mila atao mahitsy sy tsy malemy be loatra izany mba hisoroana ny fahasemporan’ny zaza raha sendra mietsiketsika izy rehefa matory. Fadiana ihany koa ny mampiasa ondana sy lamba firakotra amin’ny zazakely, indrindra irony lamba manify na drap mora ahilika irony. Raha mietsiketsika ilay zaza mety ho voatsindrin’ilay ondana na voasarangotra ao anatin’ilay lamba firakotra ka ho kenda na ho sempotra. Tsara kokoa raha mampiasa irony turbulente na gigoteuse irony ho solon’ny lamba firakotra.

Atao matory mitsilany ny zazakely

Ezahina ampatoriana mitsilany foana ny zaza rehefa izy mbola kely iny. Antony iray mahatonga ny fahafatesana tampoka amin’ny zazakely ilay izy miodina tampoka iny rehefa matory ka lasa mihohoka. Mety ho voatsindry ny tratrany ka lasa tsy avy miaina na sempotra izy ao anaty torimasony. Ny zazamenavava kosa anefa tsy atao mitsilany be loatra fa atao somary mitsilany kely rehefa apetraka eo am-pandriana. Izany dia hisorohana ilay izy mety hisondrovaka raha manilana tampoka ka ho kenda.

Jerena tsara ny hafanana ao amin’ny efitrano fatorian’ny zaza

Tokony manodidina ny 18 sy 19 °C eo ny hafanana ao amin’ny efitrano fatorian’ny zaza. Mahazo aina kokoa ny zazakely ao anaty efitra mangatsitsiaka toy izay ao anaty efitrano mafana be loatra. Raha toa ka mafana loatra ao an-trano dia ezahana atao maivamaivana hatrany ny akanjon’ny zazakely. Mila mailo tsara raha mitondra zaza anaty fiarakodia rehefa mafana be ny andro. Raha matory ny zaza dia avela hisy rivotra hiditra eo amin’ny varavarankely ary eo amin’ny faritra maloka no ametrahana na hitrotroana azy.

Tsy tokony mifoka sigara ny ray aman-dreny mitaiza zazakely

Anisan’ny antony iray mitarika ny fahafatesana tampoka amin’ny zazakely ny mahafofona fofon-tsigara matetika. Na ny ray na ny reny dia tsy tokony hifoka sigara rehefa mitaiza zazakely. Marihana fa miraikitra amin’ny volo, ny tarehy, ny tanana sy ny akanjo ny setroka sigara. Ity farany moa dia mety hitarika aretin’ny tratra sy ny fisefoana eo amin’ny zazakely. Mazava ho azy fa tsy azo atao ny mifoka sigara ao an-trano na eo akaikin’ny zaza.

Mila fitandremana ny fatoriana miaraka amin’ny zazakely

Any am-pita moa dia amporisihina mihintsy ny ray aman-dreny tsy hatory hiaraka amin’ny zanany menavava. Raha tsy mailo tsara tokoa mantsy izy ireo dia mety ho voatsindry na ho voadona mafy ilay zaza rehefa ilay matory be tsy maharay tena iny. Raha hoan’ny ankohonana malagasy moa dia mbola sarotra amin’ny reny maro ny mampitokana fandriana ny zazakeliny. Mba hisorohana ny loza anefa dia tsara foana ny mailo sy mitandrina mandrakariva. Raha miara-matory amin’ny zaza mbola kely dia aleo izy atao eo amin’ny sisiny fa tsy eo afovoany. Tandremana tsara ny tsy handrakotra lamba azy. Raha vizaka be loatra, indrindra ny reny, dia aleo atao malalaka tsara ny fandriana. Raha azo atao dia mifindra toerana hafa ny raim-pianakaviana aloha mba hisorohana ny loza.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo