• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pourquoi Docteur
Image
Sexualité & Mariage

Pervers sexuel : Lehilahy tsy mieritreritra afa-tsy firaisana ara-nofo, mety hahavita herisetra

25/04/2023 01:32 © Moov.Mg

Samy manana filàna ara-nofo avokoa ny olombelona, na ny lahy na ny vavy. Misy kosa nefa ireo tsy mahafehy izany ka miseho amin’ny fomba fiaina, fomba fisainana sy fihetsika izany. Raha eto Madagasikara manokana, tsy azo lavina fa misy tokoa ny lehilahy atao hoe « pervers sexuel ».

Olona manao ahoana no azo faritana hoe « pervers sexuel » ?

Ny atao hoe « pervers sexuel » dia olona manome vahana ny filàny ara-nofo sady tsy mahafehy izany. Ny filàny araka izany no mibaiko ilay lehilahy fa tsy ny sainy. Amin’izany dia ataony avokoa izay hevitra hahatonga azy ho afa-po, na mety ampiharany herisetra aza izany.
Ireto avy ny toetra na fihetsika ahafantarana ny « pervers sexuel » :
-Tsy manana tanjona afa-tsy firaisana ara-nofo amin’ny vehivavy rehetra izay mifanerasera aminy ;
-Sahy mikitikitika nono na fitombenam-behivavy manintona azy eny an-dalambe na any anaty fiara fitateram-bahoaka ;
-Mampiseho ny filahiany amin’ny vehivavy manintona azy, sady tsy mifidy toerana ;
-Mandefa hafatra an-tsoratra amin’ny laharana sendra hitany eny amin’ny peta-drindrina na amin’ireny tsakitsaky ireny ;
-Mandefa sary vetaveta amin’ireo vehivavy namany na mbola tsy fantany akory amin’ny tambazotran-tserasera ;
-Mitsikilo olona mandro na miakanjo.
Matetika dia miafina ireo « pervers sexuel » ka izany no maha-sarotra ny amantarana azy ireo. Mahay manova fihetsika ihany koa izy ireo mba hiarovany tena. Misy amin’ireo mpikitika vehivavy anaty taxi-be ohatra no mody mivazavaza rehefa tsy manaiky ny fihetsika mamoafady ataony ilay iharany. Tsy vitsy kosa nefa ireo tratran’ny mpitandro filaminana noho ny fanolanana zaza tsy ampy taona. Ny mampalahelo dia misy sahy manolana zazavavikely menavava mihitsy. Tsy azo odiana tsy hita ireo raim-pianakaviana mahavita manolana ny zanany vavy naterany.

Inona no mitarika ny olona iray ho lasa « pervers sexuel » ?

Matetika dia ny fifantohana amin’ireo horonan-tsary na sary mamoafady no iandohan’ny tsy fahafehezana ny filàna ara-nofo. Tsy vitsy ireo adolantsento no mangalatra mijery ireny « film X » ireny. Misy ihany koa ireo efa ampy taona tena manao « collection » an’ireny vokatra ireny. Te hanandrana irony karazana fihetsika azo atao amin’ny firaisana ara-nofo araka izany ireo mpijery X ka te hampihatra izany na dia amin’olona tsy fantany aza. Misy mihitsy ireo mahavita mikitika vehivavy eny an-dalana na mividy mpivaro-tena ampiharana ny filàna. Ho an’ireo tsy mahafehy tena mihitsy moa dia mety hahavita fanolanana, eny fa na dia zazavavikely aza no manoloana azy.
Azo heverina fa mahatonga ny lehilahy iray ho lasa « pervers sexuel » ny faniriana te hanaporofo amin’ireo namana fa « bandy tena mahazaka vehivavy ». Misy moa ireo manao « défi » mihitsy fa handravarava vehivavy marobe araka izay tratra. Mety ho lasa « pervers sexuel » nefa ny lehilahy iray rehefa tsy mieritreritra « engagement » mihitsy nefa te hanapatra ny filàny etsy sy eroa. Very tanteraka araka izany izay mety ho fieritreretana tantaram-pitiavana na fananan-taranaka fa mifarana eo amin’ny famalifaliana ny tena manokana ny tanjona.
Tsy azo lavina ihany koa nefa fa maro amin’ireo « pervers sexuel » no efa voadonam-pitiavana tany aloha. Noho izany indrindra dia te hamaly faty izy ireo ka manome vahana ny filàna ara-nofo fotsiny sisa. Marihana nefa fa misy ireo sahy miditra amin’ny fanambadiana, saingy mbola manohy ny fitadiavana sy fitsiriritana vehivavy etsy sy eroa. Na dia tsy resahina firy eo amin’ny fiaraha-monina aza dia azo lazaina fa « pervers sexuel » ireo manolana ny vadiny, izany hoe manery hiray ara-nofo na dia tsy sitrapon’ny ankilany aza. Misy amin’izy ireny ihany koa no manery ny vadiny hanatanteraka « fantasmes » isan-karazany.

Inona no azo atao ialana amin’ny toetra na fisainana « pervers sexuel » ?

Azo lazaina fa anisan’ireo olona mila fitsaboana ara-tsaina ny « pervers sexuel ». Araka ny voalaza etsy ambony, tsy hain’izy ireny ny mifehy ny filàny ara-nofo. Sarotra ho an’ny olona izay ianjadiany nefa no miaiky hoe mila fanampiana. Ireo manodidina ihany koa mety hiataka na handrabiraby. Misy mihitsy aza no miteny fa aretina tsy misy fanafany izany.
Ho an’ireo vonona hiova nefa, na misy havana na namana manohana, misy tokoa ny hetsika azo atao :
-Fanantonana manam-pahaizana manokana, toy ny psychologue ;
-Fanajanonana tanteraka ny fijerevana horonan-tsary mamoafady ;
-Fifantohana amin’ny fianarana na tetikasa mampandroso ;
-Fanaovana fanatanjahan-tena na lalao mampivoatra ny ara-tsaina.
Marihana fa mpitsabo aretin-tsaina (psychiatre) no antonina raha toa ka tsy menatra intsony ilay lehilahy mampiseho ampahibemaso ny tsy fahafehezany ny filàny. Mila fitsaboana maika ohatra ireo lehilahy tonga dia manala pataloha na miboridana haingana rehefa mahita vehivavy eny an-dalambe.
Loza mitatao ho an’ny fiaraha-monina ny lehilahy « pervers sexuel ». Izy ireny mantsy no tena mpampihatra herisetra ami’ireo akaiky sy manodidina azy, eny fa na amin’ireo olona izay sendra azy fotsiny aza. Azo atao tsara ny mitoroka ny herisetra ara-pananahana izay ataon’ny lehilahy tsy fantatra, mpiara-miasa, namana na vady.

Lire la suite

Articles Similaires