• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © L'Alsace
Image
Sexualité & Mariage

Anziky mitsoaka ny trano : ahoana ny atao ?

18/04/2023 15:42 © Moov.Mg

Maro ireo tranga fahaverezanana ankizy sy tanora re eny amin’ny fiarahamonina eny. Ny ankamaroan’izy ireo dia nitsoaka ny toeram-ponenany. Fa inona tokoa no antony mahatonga ny ankizy mitsoaka ny trano ? Inona no atao raha sendra izany tranga izany ? Ahoana ny fomba atao hisorohana izany ?

Inona no antony mahatonga ny ankizy mitsoaka ny trano ?

Tranga matetika hita eo anivon’ny ankohonana, na eto Madagasikara na any ivelany, ny ankizy mitsoaka ny trano. Ny tanora manodidina ny 11 hatramin’ny 18 taona matetika no mandositra ny toeram-ponenany, tsy mampilaza ny ray aman-dreny na ireo olona mitaiza azy ireo. Matetika dia tsy maharitra mihoatra ny telo andro izany fitsohana izany. Indraindray anefa mety maharitra herinandro maro na amam-bolana.
Maro ireo antony mety mandrisika ny ankizy hitsoaka ny trano. Voalohany amin’izany ny fitiavana te hitroatra sy handà ny fahefan’ny ray aman-dreny. Izany hoe tsy manaiky fehezina sy bedesin’ny ray aman-dreny dia lasa mandositra. Antony iray ihany koa ny famporisihan’ny namana na ny sakaiza. Ankehitriny efa mihamaro ireo olon-dratsy eny amin’ny tambanjotran-tserasera ka manodina ny sain’ny ankizy hitsoaka ny trano. Ny korontana ao an-tokantrano no antony fahatelo mahantonga ny ankizy mitsoaka. Tsy mahazaka ny ady lava eo amin’ny ray aman-dreny, na koa te hitsoaka ny herisetra atao aminy.

Inona no atao manoloana ny ankizy mitsoaka ny trano ?

Raha sanatria nitsaoka ny zaza tsy ampy taona dia mila manatona mpitandro filaminana na zandary. Alohan’izany anefa mila mitony tsara ary manatanteraka dingana vitsivitsy hahamora ny fikarohana. Jerena avokoa ireo pitipitson-javatra mety afaka manampy amin’ny fikarohana toy ny akanjo, vola na zavatra hafa netin’ilay zaza. Anontaniana ireo namany sy olona mety mahafantatra izay nalehany.
Mankany amin’ny toerana falehany matetika ary manontany ny olona eny amin’ny manodidina sao nisy nahita azy. Asiana olona mijanona ao an-trano raha sendra mody izy. Rehefa natao avokoa ireo dingana ireo ka tsy nahitam-bokany zay vao manatona ny mpitandro filaminana. Mitondra sarin’ilay ankizy ary ireo zavatra mahakasik’azy mety ilaina.

Ny fihetsika atao rehefa hita soamantsara ny zaza nandositra

Mizara roa ny zavatra atao rehefa hita soamantsara ny ankizy nandositra. Ny dingana voalohany dia ny fandraisana azy am-pitoniana. Aseho azy ny hafaliana nohon’ny fiverenany. Miaraka misakafo, mampiseho fihetsika mirana sy mihabo mba hampilamina ny fifankahitana.
Manokana fotoana hiresahana amin’ny zanany avy nitsoaka ny ray aman-dreny rehefa samy tony ny rehetra. Anontaniana azy ny antony nandosirany ny trano. Fadiana ny fanomezan-tsiny sy ny fibedesana mandritra io fotoana fifampiresahana io, indrindra raha sambany ilay zaza no nanao izany. Azo atao kosa ny mananatra azy ary miaraka mitady vahaolana mba hisorohana izany amin’ny ho avy.
Ilain’ny ankizy sy ny tanora ny miaina ao anaty ankohonana milamina sy feno fitiavana. Antony iray lehibe manosika azy ireo handositra ny korontana lava sy ny herisetra ao an-trano. Mila miezaka ihany koa ny ray aman-dreny mba hanakaiky mandrakariva ny zanany. Ho mora kokoa ho an’ity farany ny miresaka sy milaza izay zavatra ao an-tsainy sy ao am-pony. Manampy betsaka amin’ny fisorohana ny fandosiran’ny ankizy izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo