• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © L'Express De Madagascar
Image
Sexualité & Mariage

Fomba fitantanana ny karama mba ho ampy mandritra ny volana

17/04/2023 10:46 © Moov.Mg

Mba hialana amin’ny trosa dia ilaina ny mahay mitantana sy mitsitsy ny karama. Tsy mora tokoa izany, indrindra amin’izao fiakaran’ny vidim-piainana izao. Ahoana ny fomba fitantanana ny karama mba ho ampy mandritra ny volana?

Fitantanana ny karama : atokana ny fandaniana lehibe tsy maintsy atao

Mila atao mazava ary atokana ireo fandaniana lehibe isam-bolana tsy maintsy atao ao an-tokantrano. Izany hoe ireo fandaniana tsy maintsy atao ary mavesatra indrindra amin’ny vola mivoaka isam-bolana. Anisan’izany ny hofan-trano, ny jiro sy rano, karaman’ny mpanampy sy mpanasa lamba, ny saram-pianarana… Ny tena mety dia vao tonga ny karama dia atokana na tonga dia aloha izy ireny mba tsy ho voakitika amin’ny zavatra hafa indray.

Vidiana miaraka ireo zavatra ilaina amin’ny andavanandro

Anisan’ny fandaniana manavesatra ny vola mivoaka ao an-trano ihany koa ireo zavatra ilaina amin’ny andavandro. Raha mety dia mandeha amin’ireny mpivarotra am-bongadiny ireny mba ahazoana azy ireny amin’ny vidiny mora kokoa. Kajiana ny fatra ilaina isam-bolana ary vidiana indray mandeha na indroa ireo entana azo tehirizina toy ny savony, menaka, saribao, vary, siramamy… Raha manana vata-fampangatsiahana dia vidiana isan-kerinandro ny sakafo. Raha tsy afaka manao izany dia atokana ny vola atao tsena isan’andro ary tsy mandany mihoatra rehefa miantsena.

Tsy manao fandaniana mihoatra an’izay eo am-pelatanana

Antony iray lehibe mahatonga ny karama tsy ho ampy mandritra ny volana ny tsy fahaizana mandany mifanaraka amin’ny vola am-pelatanana. Matetika ny anton’izany dia ny fitiavana mifaninana amin’ny hafa na ny fitiavana te hisehoseho. Toe-tsaina manimba fiainana izany ary mitarika trosa ao an-tokantrano. Mila mahay mifehy tena ary mihonona amin’izay hananana. Azo atao tsara ny mividy fitafy na haitraitra kely indraindray, nefa kosa atao mifandanja amin’ny vola miditra izany.

Manokana vola tahiry hitsinjovana ny ho avy

Mila mampirina ampahany amin’ny karama mba hitsinjovana ny vodiandro mierika. Izany hoe tsy laniana amin’ny filàna andavandro avokoa ny karama. Rehefa manao ny kajin’ireo fandaniana ao an-tokantrano dia esorina mialoha ny vola atokana atao tahiry. Ilaina ity farany raha sanatria misy marary tampoka ao an-trano na misy adidy tsy maintsy atao. Azo ampitomboina ihany koa ny ampahan’ny vola voahangona. Izany hoe ampiasaina anaovana tetikasa madinika mba ahazoana tombony.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo