• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Passeportsanté
Image
Sexualité & Mariage

Vehivavy bevohoka : Lasa tia sa tsy tia firaisana ara-nofo ?

07/04/2023 07:03 © Moov.Mg

Miova tanteraka ny toe-batan’ny vehivavy rehefa bevohoka, mora mitomany, mora faly, mora kizitina. Indraindray mazoto manao firaisana ara-nofo be, indraindray lasa malaina. Inona tokoa ary ireo antony mahatonga ny vehivavy bevohoka lasa tia na tsy tia firaisana ara-nofo ?

Vehivavy bevohoka : tsy tia firaisana ara-nofo mandritra ny 3 volana voalohany

Manomboka mikorontana ny hormone mandritra ny 3 volana voalohan’ny fitondrana vohoka. Na dia mbola tsy hita aza ny kibo dia efa miha tsy tia firaisana ara-nofo ny vehivavy bevohoka. Anisan’ny antony lehibe mahatonga izany fahalainana izany ny tahotry ny ho hafa-jaza raha voaviravira ny vatana. Etsy ankilany ny havizanana vokatry ny aizana.

Mandany hery tokoa mantsy ilay mandoa, misalebolebo, ratsy torimaso… rehefa mitsaika ny zaza. Ao ihany koa ilay fiakaran’ny progestérone izay hormone manomana ny tranon-jaza amin’ny fitondrana vohoka. Ny progestérone dia mampihena ara-voajanahary ny fitiavana firaisana ara-nofo.

Miha tia firaisana ara-nofo ny vehivavy bevohoka rehefa miditra ny 3 volana faharoa

Rehefa miditra ny 3 volana faharoa ny vehivavy bevohoka dia mamokatra oestrogène ny vatan’ny vehivavy. Io oestrogène io dia manaitaitra ny ao anaty ka mampitombo ny filàna sy ny fitiavana firaisana ara-nofo.

Efa manomboka zatra ilay fiovana nentin’ny fitondrana vohoka ihany koa ny vatana sy ny sain’ny vehivavy amin’io 3 volana faharoa io. Afaka ireo sorisory sy ireo fahavizanana teo aloha. Miha manambitamby sy manantona ny vadiny izy. Mora mandaitra aminy ny safosafo sy ny tambitamby ka lasa tia firaisana ara-nofo indray na mihoatra ny taloha.

Vehivavy bevohoka tsy tia firaisana ara-nofo : ireo vahaolana hoan’ny mpivady

Mety hisy fiantraikany amin’ny fiainan-tokantrano izany fahalainan’ny vehivavy bevohoka hanao firaisana ara-nofo izany. Mba hisorohana ny korontana na ny disadisan’ny mpivady dia mila samy miezaka ny andaniny sy ny ankilany. Mila mahay manambitamby sy manohana ny vadiny mitoe-jaza ny lehilahy. Manampy ny vehivavy mitondra vohoka hazoto hanao firaisana ny fanehoana fitiavana aminy.

Mila manao ezaka kosa ny vehivavy bevohoka mba tsy handà foana ny vadiny. Tsy voatery atao matetika loatra ny firaisana ara-nofo fa tsy atao ankilabao koa anefa. Afaka manantona mpitsabo mitady torohevitra sy vahaolana ny mpivady mba hitadiavana ireo fomba hampazoto ny vehivavy bevohoka hanao firaisana ara-nofo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo