• Cours de change
  • 4681.81 AR
  • |
  • $4417.52 AR
Copyright Image : © Grutto
Image
Sexualité & Mariage

Sakafo paska : andeha hijery ireo karazana sakafo sahaza ny mpianakavy

06/04/2023 15:08 © Moov.Mg

Anisan’ny mahasomebiseby ny mpianakavy indrindra ny sakafo hanamarinana ny fety. Maro ireo nahandro malagasy mafilotra afaka hisafidianana. Misy ireo tena lafo vidy fa misy ihany koa ireo tsotsotra nefa matsiro. Samia ary mifidy ny anjara tandrify azy amin’ireto sosokevitra sakafo ho an’ny paska manaraka ireto !

Sakafo paska : inona ny fanokafam-bavony atao ?

Rehefa fety toy izao dia fanaon’ny tokantrano ny manisy fanokafam-bavony mba hanamarihana ny lanonana. Maro ny safidy afaka atao, arakaraky ny fahefa-mividy sy ny fanirian’ny be sy ny maro.

Crudités haingoina œufs mimosa no anisan’ny fanokafam-bavony maivamaivana sy tsy lafo vidy takatry ny fahefan’ny be sy ny maro. Izany hoe lasary legioma isan-karazany no atambatra, toy ny karaoty, haricots verts, concombre, chou-fleur, betterave… Manao œufs mimosa maromaro hanaingona ny lovia sy hanomezana tsiro ny sakafo.

Salade de pâtes, macédoine ary poisson à la belle vue ihany koa dia fanokafam-bavony fanaon’ny fianakaviana malagasy rehefa fety. Mora karakaraina, tsy lafo vidy ary indrindra ampy tsara hoan’ireo mpianakavy maro an-trano. Misy ihany koa ireo fanokafam-bavony somary lafolafo toy ny salade de charcuteries, salade fruits de mer...

Ny laoka hatao amin’ny sakafo paska

Sakafo tsy misaraka ny malagasy ny vary sy laoka, indrindra rehefa fety sy lanona. Vary maina, na fotsy na mena, sady matsiro no maha voky tsara. Ampiarahana amin’ny laoka mafilotra sy tsy fihinana andavanandro.
Ao ireo manjifa vorona toy ny gisa, vorontsiloza na gana, atao ritra tsara. Afaka afangaro amin’ny henakisoa matavy izany mba hampatsiro azy kokoa.

Misy ihany koa ireo misafidy ny hen’omby, toy ny hen’omby ritra, ny lelan’omby na koa ny vorovoron-kena. Samy matsiro avokoa izy ireny rehefa karakaraina amin’ny fomba malagasy.

Sakafo malagasy manana ny maha izy azy ihany koa ny trondro andrahoina. Maro ireo fianakaviana misafidy izany rehefa fety. Irony tilapia lehibe tsara irony lafihina voanjobory sy atao be voatabia sy tongolo, tena lafatra tokoa !

Esty andaniny, manao ro matsatso sy lasary voatabia (rougail) hanarahana ireo laoka mafilotra ireo. Tsy adino ny sakay pilokely voatoto ho an’ireo mankafia izany.

Tsindrin-tsakafo atao amin’ny paska

Manan-karena voankazo tokoa raha i Madagasikara. Tsy miafiafy mihintsy ny mpianakavy amin’ny resaka tsindrin-tsakafo rehefa fotoanan’ny fety toy ny paska. Maro ireo voakanzo misy eny an-tsena amin’izao vaninandro izao. Ankoatra ny akondro dia misy ny paoma, poara, mananasy, voasary…

Afaka tonga dia aroso eo ambony latabatra ireo karazana voankazo ireo. Azo atao tsara ihany koa ny manao salade de fruits. Ny koba voanjo ihany koa dia tsindrin-tsakafo malagasy be mpankafy. Ilay vidiana eny Talatavolonondry moa no tena malaza ho tena matsiro !

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo