• Cours de change
  • 4688.34 AR
  • |
  • $4422.6 AR
Copyright Image : © Femmeactuelle
Image
Tantara

Moov Confidences : Niteraka mianadahy ny vadiko sy ny zanakay vavimatoa ...

04/04/2023 09:30 © Moov.Mg

Sady zana-bady no zafikely ... Mahamenatra tokoa ity tranga tao amin'ny ankohonako. Nifankatia miafina ny vadiko sy ny zanakay vavy. Sady mpianaka izany no mpifankatia ireto nifampiteraka.

Lova tsy mifindra, fitiavana diso fiantefa sa filàna tsy tana ?

Telo mianadahy ny zanakay. Tena niraiki-po tamin-drainy tanteraka ilay vavimatoa sady vavitokanay. Iza moa no nanam-po hoe hivadika ratsy ny tantara ?
Mpivarotra ny asako. Noho izany dia miala vao maraina be aho ary efa maizina vao tafody. Ny vadiko no tena nanankinako ireo zanakay satria mpiasa birao izy : amin'ny 9 ora no miditra ka amin'ny 5 hariva no mirava. Nanomboka tamin'ny faha-15 taonan'ny zanakay vavy no saro-piaro mafy taminy ny rainy. Tsara tarehy sady bikàna tokoa mantsy rakalakely. Tsy navelany nananana namana firy na hivoaboaka hiaraka amin'ny mpiara-mianatra ny tovovavy. Akory ny hagagako tamin'ity farany 19 taona fa bevohoka. Nosokiriko izay rain-janany nefa tsy nety niteny. Ny vadiko avy eo no nitsotra fa izy ihany no niaraka tamin-janany. Akory ny hatairako sy ny hatezerako. Iza izany no omeko tsiny ? Nisintaka ny tokantranonay nandritra ny enim-bolana teo ho eo aho, nefa niverina ihany rehefa tena nandinika tsara. Ny vadiko hoy aho no adala, ary mbola mila ahy ny zanako na maditra aza. Ireo roalahy ihany koa mbola mila ahy.
Teraka soa aman-tsara ilay zanakay vavy, ary tsy nampahafantarina ny fianakaviana ny mikasika izay rain-janany. Ny tena loza moa dia mbola nanohy ny fanaony ihany izy mianaka ka vao herintaona mahery kely ny zazakely dia bevohoka indray rakalakely. Mora tantaraina izany nefa tena sarotra ny niaina azy : mangidy tsy telina. Tsy te hanala baraka ny tokantranoko aho ka nozakaiko teny foana izay rehetra nitranga. Manongo tena aho indraindray hoe tsy ampy fitiavana ve ny vadiko ? Sa tsy ampy fanabeazana ny zanako ? Tsy tian-drainy atolotra lehilahy hafa ve ny zanany vavy ka aleony izy ihany no "manambady" azy ? Lasa ihany ny saiko hoe izao tokoa ve ilay fomban-tanin'ny malagasy sasany hoe ny ray aloha no miray ara-nofo voalohany amin'ny zanany vavy ? Maro ny fanontanina saika naha-lasa adala ahy ...
Marihako fa misoratra amin-dreniny irery ireo zaza mianadahy. Voararan'ny lalàna mantsy ny "inceste". Izahay rahateo tsy nitantara tamin'iza n'iza ny tena marina. Eny, entiko hatrany am-pasana ny tsiambaratelonay.

Fiainana sa afobe ?

Roa taona teo ho eo izay no nindaosin'ny fahafatesana ny vadiko. Niakatra tampoka ny tosi-drany ka tsy ampy telopolo minitra taorian'izay dia tapitra ny ainy. 4 sy 2 taona ireo zanany kely tamin'izay. Ny tena nampalahelo ahy dia tsy mba nahalala nifona tamiko akory rangahy vadiko nandritra ny taona maro. Na izany aza, tsy nisaina izay fisaraham-panambadiana aho satria tsy te ho afa-baraka tamin'ny fiaraha-monina. Tsy nanaiky niray ara-nofo tamin'ny vadiko intsony nefa aho nandritra ny taona maro, mandra-pahafatiny. Naharikoriko ahy loatra ny zavatra nataony. Tokantrano sarintsariny sisa ny anay.
Vao teraka fanindroany ny zanakay vavy no nanomboka ny fahasahiranana lalina. Very asa ny vadiko ka tsy hita intsony izay ho sarangotina. Izaho rahateo tsy nanaiky ny iarahan'ny zanakay tafo aminay intsony. Voatery nanatitra vola isam-bolana izahay ividianan'izy telo mianaka sakafo sady andoavany hofan-trano. Ny varotra nataoko no nahazoanay ny vola rehetra nilaina. Azo lazaina fa nanampy anay ihany koa ireo zanakay lahy na izany aza.
Iray volana teo ho eo angamba izay no nahafatesan'ilay zanakay vavimatoa, noho ny lozam-pifamoivozana. Tsy hitako intsony izay andraisako ny fiainako. Mitaiza zana-bady sady zafy 6 sy 4 taona aho izao. Tiako ho tafita ireo zaza ireo satria ny hadisoan'ny ray aman-dreniny tsy mba helony.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo