• Cours de change
  • 4688.34 AR
  • |
  • $4422.6 AR
Copyright Image : © Université De Fribourg
Image
Tantara

Moov confidences : Te hanankarena tampoka … Lasa mpamosavy aho …

03/04/2023 11:26 © Moov.Mg

Ny alika hono jamban’ny taolana fa ny olombelona no jamban’ny vola … Mbola tanora fanahy loatra angamba tamin’izany fotoana satria nihevitra fa ravola no mahasambatra. Ho ahy manokana, sady jamban'ny vola aho no jamban'ny fisehosehoana, hany ka nanaonao foana.

Ody fitia

7 mianadahy izahay no iray tampo. Zaza fahatelo aho. Azo lazaina hoe fianakaviana manana ny ampy ihany izahay. Mbola tsy nandry fotsy mantsy izahay hatramin’izay nahatsiarovako saina. Nony maty kosa nefa i dada dia nitotongana ny fiainanay. Nahavita nampianatra anay ihany nefa i neny, satria tena nanampy azy ireo zokiko roalahy. Nony afaka bakalorea aho no tsy maintsy nijanona tamin’ny fianarana. Nanao varobarotra kely teny aho. Afaka nanampy an’i neny tsara. Nandeha ny fotoana ka tsy naharitra intsony aho. Kely loatra ny fidiram-bolako sady mahamenatra ireo mpiara-nianatra tamiko ity asa keliko. Hitako ny hevitra : hanambady lehilahy mpanakarena, ka tsy hampaninona intsony na hitsotsotra fotsiny aza isan’andro.
Rehefa mivarotra mandehandeha iny aho, mahatsikaritra tovolahy raitra fitafy mitondra fiara tsara tarehy. Nataoko izay ahalalana ny mombamomba azy rehetra. Talen’orinasany manokana ilay ranamana. Nikaroka hevitra mahomby aho ahazoana ny fony, ka nanatona mpitaiza, nahazoako ody fitia. Nanaikitra ny trondro satria tsy ampy 3 volana dia naroso ny raharahanay. Tsy norarahiany intsony ilay tovovavy niaraka taminy, na dia nilaza aza fa mitondra vohoka.
Ny ody fitia nalaiko moa dia ny mba tsy ahitan'ny vadiko vehivavy ankoatra ahy. Malemy tanteraka izy amin'ny alina mba tsy hahatsikaritra ny tsy maha-eo ankaikiny ahy.

Tena fitia

Ny harivan’ny mariazinay no toa tonga saina hafahafa rangahy vadiko. Nivaloarika ny endriny sady nahateny izy hoe tena nentin-javatra aho … Natahotra mafy aho sao nahay naminavina ny zavatra nataoko azy izy. Toy ny nofy ihany ny minitra vitsy nahakaodikaody azy. Nizotra tsara ny alin’ny volatantely sy ny fitsangatsanganana mandritra ny herinandro teo ho eo. Azo lazaina fa nifanaraka tsara izahay. Ny vola rahateo moa tena nanananay ka tsy nisy nahaory na sakafo, na akanjo, na firavaka na fiara.
Teo amin'ny faha-telo taonan'ny mariazinay, nanan'anaka aho saingy tsy maintsy natao sorona teo amin'ny fahatelo volan'ny kiboko. Mazava ho azy fa tsy fantatry ny vadiko ny tena marina. Ny hany fantany dia hoe "afa-jaza aho noho ny harerahana be loatra". Nanomboka nikorontana ny tokantranonay. Asa raha nihena ny herin’ny odiko fa nankahala ahy tsikelikely ny vadiko. Tsy nitsahatra namerina tamiko izy fa tsy tia ahy. Mbola tsy azony mihitsy hono ny antony nangatahany ahy ho vadiny. Koa satria niala lavitra ny renivohitra ny trano fonenanay, azoko antoka fa tsy nifanerasera tamin’ilay renin-janany intsony izy.
Sendra niakatra ny renivohitra aho, sady namangy ny reniko, no nahatsikaritra toe-javatra hafahafa. Nandalo ny fiangonana teo an-tanana aho no nahatsikaritra fa misy vehivavy miaraka amin’ny zazakely mandohalika mivavaka. Na dia tsy hitako tsara aza ny endriny, azoko antoka fa ilay olon-tian'ny vadiko taloha ilay tazako. Lasa ny saiko hoe tena ny herin'ny vavaka ataon'io vehivavy io ve no antony mampihena ny herin'ny odiko. Naka aina nisotro ranom-boankazo teo amin'ny mpivarotra iray aho no nantoniny. Nojereny tsara ny masoko sady niteny izy hoe "Tsy hainao marina ny manjo ny vehivavy mpandrava ny anjaran'ny hafa. Ho tanteraka foana ny planin'Andriamanitra na ho ela na ho aingana, na dia ninianao nogafiana aza". Tsy nahateny aho sady tsy nahahetsika. Toy ny nisy nanindrona tamin'ny lefona ny foko. Rehefa nanadihady ny manodidina aho dia fantatro tamin'izany fa tsy mitsahatra mivavaka ao am-piangonana io vehivavy io isa-maraina.
Nony tafody aho, nalemy tanteraka vao niditra ny tokonam-baravarana. Akory ny hagagako fa mandoro zavatra ny vadiko : hay ireo odiko rehetra no tratrany tao amin'ilay tranokely miafina fiantsoako ny masina. Vao nahita ahy izy dia nahateny hoe "hay ody gasy no nitazomanao ahy sy namotehanao ny fiainako nandritra izay taona maro izay ... Tapitra hatreto ny asa ratsinao ... Sady nanonona tonom-bavaka maro izy." Tsy nahateny aho. Efa minitra maro taorian'ny nahamay ny odiko rehetra aho vao tafatsangana. Toy ny tsy tompon'ny tenako intsony aho. Nanome rano mangatsiaka ho sotroiko ihany ny vadiko. Avy eo aho dia noroahiny aho handeha hiala ny tokantranonay. Nametraka fepetra maro moa izy, ary nanambara fa raha dikaiko ireo dia holazainy amin'ny fokonolona ny asa ratsiko. Valizy iray nisy ny akanjoko ihany no navelany nentiko, sady nampiany vola kely ataoko saran-dalana hono. Nanasonia taratasy ihany koa aho, ho fanekena mialoha ny amin'ny fisaraham-panambadianay.

Todim-pitia

« Raha todim-paty aza manody fa raha todim-pitia manodiava » : tanteraka tamiko io ohabolana io. Ankehitriny, vato boribory aho : sady tsy vady no tsy zanaka. Ny fianakaviana rahateo efa tsy misy te hifanerasera amiko intsony. Dimy taona mahery kely izay no nipetrahako irery. Miha-reraka ny vatako satria tsy maintsy mivoaka mamosavy aho isak’alina. Ny sakafo nefa tsizarizary. Na hanorina fiainam-baovao aza aho tsy afaka hiteraka intsony satria voatery nesorina ny tranon-janako taorian'izaho nanala ilay zaza natao sorona. Tsy mety afaka amin’ny fomba ratsiko aho satria efa nanao fanekena tamin’ny maizina. Efa nanandrana nivavaka aho saingy saika naningotra ny aiko izany. Raha vao manatrika na manatanteraka fombafombam-pivavahana mantsy aho dia tezitra mafy ny fanahy ato anatiko.
Ny hany azoko natao dia ny nangataka famelana tamin'ny vadiko teo aloha sy ilay renin-janany. Ingahirainy tsy nanaiky nihaona tamiko mihitsy. Izaho sy ilay vehivavy no niresaka nandritra ny ora maro. Nananatra ahy teo izy sady nitsotra fa nandrava ny herin'ny ody gasiko isan'andro isan'alina. Nitso-drano izy avy eo mba hahita izay tena anjarako aho sady ho afaka amin'ny geja izay namatorako ny tenako ihany. Menatra ny tenako aho satria vehivavy tsotra sady be fitiavana no nosomparako. Nizaka tondro-molotry ny fiaraha-monina izy sady kamboty velon-dray nandritra ny telo taona mahery ny zanany.

Tahak’izay aho mba nahay nihafy tamin’izay kely nananako. Tahak’izay tsy nanimba ny tena fifankatiavan’ny hafa noho ny fitiavan-tenako. Rehefa miala ny fofon’aiko, mbola hotsenain’ny lelafon’ny afobe aho handray ny valin’asako. Mbola misy fanantenana ve handovako paradisa ?

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo