• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © Naître Et Grandir
Image
Sexualité & Mariage

Ankizy mankatò : ny fomba hahatongavana amin’izany tsy miandry fiakaram-peo

31/03/2023 10:32 © Moov.Mg

Matetika ny ankizy dia miandry ny ray aman-dreny mamerimberina teny na iraka vao mankatò. Indraindray ary voatery miaka-peo sy mivazavaza mihintsy vao henoiny. Mila lalàna sy fifehezana anefa ny zaza dieny mbola kely. Ireto ary ireo fomba hahatonga ny ankizy mankatò ny teniny ray aman-dreny tsy miandry fiakaram-peo.

Ankizy mankatò : mila azony tsara izay lazaina azy

Tsy ho mora amin’ny ankizy madinika ny hankatò ny tenin’ny ray aman-dreny raha toa ka tsy azony tsara izay zavatra tenenina aminy. Mba hahamora izany dia mila misarika ny sofiny sy ny masony ianao lehibe vao miresaka aminy. Afaka atao ohatra ny mitingitingina mba mifanatrika tsara. Apetraka eo amin’ny tanany na ny sorony ny tanana rehefa miteny zavatra aminy mba hifantohany tsara. Ho mora kokoa ho an’ny zanakao ny ho lasa zaza mankato rehefa azony tsara ny zavatra lazainao aminy.

Resahana mora sy milamina ny zanaka mba ho ankizy mankatò

Tsy vahaolana ny fivazavazana amin’ny ankizy hahatonga azy mankatò. Mety mandaitra izany amin’ny voalohany fa rehafa atao foana dia mivadika ho fahazarana ho azy. Izany hoe ho eviriny fa ara-dalàna ny fitenenana mafy rehefa miteny zavatra aminy na maniraka azy ka tsy ho henoiny intsony raha miteny tsotra sy tsy mivatravatra. Ilaina faharetana ny fitaizana ny zanaka, indrindra ny zaza madinika. Zarina amin’ny fitenena mora sy milamina izy ary ezahina azavaina amin’ny mandrakariva ny lafy tsara ny ankizy mankatò ray aman-dreny.

Mila entitra amin’ny fifehezana sy ny fitaizana ny ankizy

Mila mametraka fifehezana entitra ny ray aman-dreny mba hahatonga ny zanany ho ankizy mankatò. Izany hoe asiana lamina sy lalàna mazava ny ao an-tokantrano. Ajanona ohatra ny filaovana finday sy tablette rehefa misakafo, tsy mijery fahitalavitra intsony ao aorian’ny aminy 7 ora hariva, ampirimina ny kilalao rehefa avy milalao… Rehefa mipetraka ireny lamina ireny dia mila manaja izany ny rehetra. Tsy mahazo milefitra ny ray aman-dreny raha midongy aza ny zanaka satria manjary mihevitra ity farany hoe afaka dikaina ny lalàna.

Mampiatra sazy mba hahatonga ny ankizy mankatò

Ny ankizy mankatò dia ireo izay manao izay lazain’ny ray aman-dreny sy tsy mamalivaly. Rehefa mivoana amin’ireo ny zanaka dia mila ahintsy amin’ny alalan’ny sazy. Tandremana tsara kosa anefa mba ho sazy sahaza ny taonany sy tsy mandratra fo na vatana no ampanaovina azy. Azo atao ohatra ny tsy mamela azy mandeha milalao any an-tokontany na tsy milalao finday sy tablette rehefa mafy loha. Azavaina aminy hatrany ny antony mahavoasazy azy mba tsy hamerenany intsony.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo